airtel

Actualités

05-févr-2024

Fampiroboroboana ny fizahantany

Mandray anjara amin’ny « BIT 2024 » any Milan i Nosy Be

Sample post image

Nisokatra nanomboka omaly alahady 04 febroary hatramin’ny rahampitso

05-févr-2024

talata 06 febroary ny « Salon international du tourisme » na BIT 2024 any amin’ny Allianz MiCo any Milan Italie. Anisan’ny mandray anjara amin’io ny Malagasy amin’ny alalan’ny ofisim-paritry ny fizahantany Nosy Be (ORTNB) izay manana tranoheva mitondra ny laharana B36 pavillon 4. Fotoan-dehibe hahafahana mampisongadina ny harena hakanton’ny tanànan’i Nosy Be mba hisintonana sy hampahafantarana ireo tolotra ara-pizahantany ao aminy amin’ny sehatra iraisam-pirenena io. Mahatratra 1 300 ireo mpampiranty mandray anjara amin’ny BIT 2024, ary manodidina ny 43 000 ireo mpitsidika andrasana. Tsara moa ny manamarika fa misy ny sidina iraisam-pirenena mampifandray mivantana an’i Nosy Be amin’i Milan.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Nitombo 12% tamin’ny volana aprily teo raha oharina ny tamin'ny volana aprily 2023 ny mpizahatany

Card image cap
17-mai-2024

Taorian’ny Minisitry ny filaminana anatiny herinandro latsaka izay nidina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
17-mai-2024

Vehivavy iray tombanana ho 30 taona eo ho eo no hita faty tao Fitroafana Talatamaty,

Card image cap
17-mai-2024

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 16 mey tetikasa telo vaovao eo amin'ny sehatry ny tontolo iainana,

Card image cap
16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap