miompana indrindra amin’ny fambolena sy ny fizahantany ary ny manodidina izany rehetra AGECOTOUR. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra momba ny fiofanana fizahantany ao amin’ity oniversite ity, Bako Ratsifandriamanana, dia isan’ireo fotodrafitrasa hanaovan’ireo mpianatra fampiharana anatin’izany koa ny etsy amin’ny Domaine Tsilazaina Alasora ary toerana fanaovam-pety. Isany koa ny eny Mantasoa izay hanarahana ny fiofanana momba ny jono na “pisciculture”, hoy ny tomponandraikitra voalohany sady misahana ny fiofanana mikasika ny serasera, Annie Andrianaivonirina. Miantsehatra bebe kokoa amin’ny resaka fitantanana sy fandraharahana, hoy ihany i Bako Ratsifandriamanana, satria mifampiankina be dia be ny fandraharahana sy fampandrosoana ny firenena. Iaraha-mahalala anefa, hoy izy, fa 4%n’ny fandraharahana eto Madagasikara ihany no manara-drafitra na “formel” raha toa tsy izay ny 96%. Antony izany mahatonga anay hanao fampiofanana mikasika ny antsoina hoe kolontsaina na maha mpandraharaha na “culture entrepreneurial” amin’io septambra io. Mbola manana tombony afaka mampiasa io tany io amin’ny fandraharahana isika eto Madagasikara. Niakatra ny tahan’ny fizahantany raha mitaha amin’ny zava-nisy 2020-2021. Olana eto anefa ny resaka fotodrafitrasa. Ny olana lasibatrin’ny haintany na “canicule” any amin’ireo firenen-kafa izao te hifindra aty amin’ny toe-tany toy ny antsika daholo. Tsy vitan’ny tsikitsiky sy fahaizana mandray anefa ny fampiroboroboana an’io fizahantany io raha toa ka mbola feno zoridira ny tanàna ary feno kilavadavaka ny arabe, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Légende: Fitondrana am-bavaka ny AGECOTOUR
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny