Isan’ny nandray anjara tamin’ny fivoriambe faha 7 momba izany tetsy amin’ny IHS Ankatso isika eto Madagasikara. Ankalazaina isan-taona, isaky ny 14 martsa izy io, hoy ny fanazavan’I Holisoa Andriamanisa, tomponandraikitra eo anivon’ny sampana iraisampirenena momba ny fandriampahalemana na HWPL, saingy noho ny antony manokana dia ny sabotsy teo no nanamarihantsika izany. Ho an’i Madagasikara manokana dia ny tsy fandriampahalemana misy eto no isany nodinihina ny mikasika ny vahaolana azon’ny olompirenena entina hampihenana izany, hoy hatrany ny fanazavana. Nisy moa, ankoatran’izay, ny fanasoniavana taratasy misokatra miantefa any amin’ny filoham-pirenena Rosianina, Vladmir Poutine, ho fampitsaharana ny adin’ny firenena Russe amin’ny firenen’I Okrainina izay nataon’ireo mpandray anjara teny an-toerana izay resy lahatra fa tokony atsahatra izany ady izany, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija
Legende: Ry zareo ao amin’ny HWPL
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny