airtel

Actualités

04-août-2026

FANADIOVANA AO MASAY

Fotaka sy fako an-taoniny no nalana

Sample post image

Mitohy ny asa fanadiovana

04-août-2026

hataon'ny APIPA ao amin'ny Valee de l'Est. Mizara ho ekipa maro ny mpiasa mba hahafahana manatanteraka izany amin'ny toerana maro indray mandeha. Ny iray amin'ireo ekipa dia miasa eny Masay, manohy ny fanadiovana ny Vallée de l'Est, izay anisan'ireo foto-drafitrasa lehibe mitana anjara toerana amin'ny fanariana sy fitantanana ny ranon'orana eto amin'ny Lemak'Antananarivo. Fanesorana ireo fako, fotaka, ary ireo zavatra hafa manentsina ny lalan-drano no hatao amin'izany mba hamerenana amin'ny laoniny ny fikorianan'ny rano sy hiantohana ny fahombiazan'ny lakandrano, indrindra mandritra ny fotoanan'ny orana. Fotaka sy fako an-taoniny no nalana tamin'izany. Ao anatin'ny ezaka mitohy hataon'ny APIPA amin'ny fikojakojana ireo foto-drafitrasa fiarovana amin'ny tondra-drano no hanatanterahana izao asa izao. Ny fanadiovana tsy tapaka ny lakandrano sy ireo lalan-drano dia manampy amin'ny fisorohana ny fahatsentsenana, mampihena ny mety hisian'ny tondra-drano, ary miaro ny mponina sy ny fananany. Tsiahivina fa tsy ampy ny ezaka jataon'ny mpiasan'ny APIPA irery. Ilaina ny fiaraha-mientan'ny rehetra amin'ny fitandroana ny fahadiovan'ny lakandrano sy ny tontolo iainana, amin'ny alalan'ny fanariana fako amin'ny toerana tokony hisy azy sy ny fanajana ireo foto-drafitrasa iombonana. Andraikitsika iombonana mantsy ny fiarovana ny lemak'Antananarivo.
Nangonin'i Pati
Légende : Mizotra tahaka izao ny asa fanadiovana !
 

Dans la même rubrique

11-août-2026

Miha milentika i Marie Michelle, 5 hafa nidoboka

Card image cap
11-août-2026

Marc Dillard, diplaomaty efa za-draharaha

Card image cap
11-août-2026

maty nianjeran'ny tamboho

Card image cap
11-août-2026

mponina ireo mpivarotra manodidina

Card image cap
10-août-2026

Firenena handresena ny haizina

Card image cap