airtel

Actualités

28-févr-2023

Actualités

Fanahazam-bary eny amin’ny lalam-pirenena Handraisana fepetra ireo mafy loha ao Talatamaty

Sample post image

Mponina ao anatin’ny kaominina Ambohitrimanjaka sy Talatamaty ny ankamaroan’ireo manahy vary eny amin’ny

28-févr-2023

lalam-baovao Ambohitrimanjaka mivoaka any amin’ny lalam-pirenena fahaefatra. Noho ny tahotr’ireo tantsaha ny ranobe entin’ny rivo-doza ka mety hanimba ny fambolena no nanosika azy ireo hijinja ny vary mialohan’ny fotoana ka hanahazany izany eny amin’ny lalam-pirenena. Sahirana izahay hoy ny mponina satria na ny toerana hanahazam-bary aza efa tsy misy intsony, ny vidim-bary rahateo efa tafakatra 1.000 Ar ny iray kapoaka eny an-tsena. Tena marina tokoa izany raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Talatamaty Raharinoasy Elie Dominic. Sahirana ny mponina hoy izy saingy na izany aza tsy azo ekena kosa ny tsy fanarahan-dalàna. Niezaka ny nanentana hatrany izahay hoy izy mba tsy hanahazan’ny mponina vary eny amin’ny lalam-pirenena sao hitera-doza. Rehefa tena mafy loha kosa anefa izy ireo hoy hatrany ity Ben’ny tanàna ity dia tsy maintsy handraisana fepetra ihany hisorohana ny loza mety hitranga. Na izany aza hatramin’ny faran’ny herinandro teo dia mbola niroso tamin’ny fanentanana hatrany izy ireo.
Pati
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap