airtel

Actualités

12-déc-2023

Fanajana ny zon’olombelona

Lavitry ny kitay ny afo ho an’i Madagasikara…

Sample post image

Nankalazaina omaly 11 desambra 2023 ny fahatsiarovana ny faha-74 taona

12-déc-2023

ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona, izay teraka tamin’ny 1948, nifandraika tamin’ny famaranana ny ady lehibe faharoa. Ho an’ny teto Madagasikara, dia tetsy amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka no nanamarihana izany. Isan’ny niatrika izany ny Solontena Maharitry ny Firenena Mikambana Issa Sanogo izay naneho fa tena zava-dehibe satria ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana dia maneho fa misedra fanamby maro izao tontolo izao, ka raha miraviravy tànana dia lasa mihemotra eo anatrehan’ny tsy fanajana ny demokrasia, fanitsakitsahana ny zon’olombelona, ny fahalalahana izay miharatsy,… Mahakasika izao tontolo izay ny fanamby ary tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara izay nanasonia ny fanambarana ofisialy momba ny zon’olombelona, ary nampidirina tao anatin’ny lalàmpanorenana, hoy ny fanehoan-keviny. Niantso ny mpisehatra rehetra na ny manam-pahefana na ireo firaisamonimpirenena na ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ny tenany mba hiara-hisalahy hanatratra ny fanamby hametrahana amin’ny hasiny ny zon’olombelona ny tenany, izay nampahatsiahy fa Nateraka hitovy zo, samy manan-tsaina, ka tokony hifampitondra am-pirahalahiana ny rehetra. Raha hatao indray mijery, mbola lavitry ny kitay ny afo ho an’ny eto Madagasikara raha fanajana ny zon’olombelona izany. Miaina ao anatin’ny herisetra, fisamborana tsy ara-drariny, fonja feno hipoka, fiainana tsizarizary, tsy fanjarian-tsakafo, fampianarana tsizarizary, fanenjehana sy fanagadrana tsy ara-drariny, fanjakan’ny kolikoly, ny kely tsy mba mamindro ataon’ny mpitondra, fanitsakitsahana ny zo sivily sy politika,… Naneho moa ny Filohan’ny CNIDH Atoa Seth Andriamarohasina fa tsy mionona amin’ny zavatra hita maso, fa fikambanana zo maromaro : fitoviana manoloana ny fitsarana, mbola tsy voatsara mbola tsy meloka, zo iombonana tokony hitoviana,… Ohatra hafa azo raisina ny fampianarana, fiarovana ny mpanjifa, tontolo iainana,… izay tokony ho ao anatin’ny politikam-panjakana. Mifamatotra ny zon’olombelona sy ny fampandrosoana ary ny filaminana, tsy maintsy hatsahatra ny herisetra miteraka fisaraham-bazana, ary manana andraikitra hampananja ny zon’olombelona ny isam-batan’olona mba ahafahana mametraka tontolo vaovao sy mahafinaritra, raha ny nivoitra tao anatin’ny fanamarihana omaly tetsy amin’ny Canal Olympia. Mbola mila ezaka i Madagasikara !
Toky R



 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap