airtel

Actualités

07-mai-2024

Fanakonana ny resaka gidro sy sokatra naondrana

Andrasana ny fandrendrehana saim-bahoaka manaraka…

Sample post image

Andrasana indray ny fandrendrehana saim-bahoaka na «diversion» manaraka,

07-mai-2024

hoy ny mpanara-baovao, ho fanakonana ny resaka gidro sy sokatra naondrana tany Azia farany teo. Tsiahivina fohy moa izany fa sokatra miisa 1076 sy gidro na Aye aye miisa 48 niondrana an-tsokosoko izay tany Thailand vao tra-tehaka indray no nahoraka teto amin’ny firenena ny faran’ny herinandro. Efa nandalo teto daholo ireo raharaha heverina ho mamoha henatra na «scandale» maro samihafa tahaka ny raharaha fahita lavitra fisaka na «écran plat» tao amin’ny minisiteran’ny atitany, ny raharaha vatomamy na «bonbon sucette» tao amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, ny raharaha volamena milanja 73,5kg, ny volamena 48kg naha voatonotonona ny anaran’ny minisitry ny fitsarana teo aloha izay tany Kaomoro koa vao hita ary tsy fantatra hatramin’izao no niafarany. Ny volamena nivadika vy tao amin’ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany izay nifandimbiasan’ny minisitra teo aloha, Fidiniavo Ravokatra, sy ny praiminisitra, Ntsay Christian, notantanana sy ny maro hafa koa teo dia iny indray izany izao ny resaka sokatra sy gidro izay heverina fa isan’ny harem-pirenena hamantaran’izao tontolo izao an’izany Madagasikara izany. Ny nahagaga tamin’ireo voalaza rehetra teo aloha ireo dia saingy nahoraka herinandro na herinandro vitsivitsy hatrany dia avy eo toy ny nanjavonjavona fotsiny teny hatrany. Takon’ny resaka minisitra nanana tantara tamina mpanakanto, ny resaka famadihana ny hiram-pitolomana fahiny, resaka mahatsikaiky samihafa. Hatramin’ny resaka maha frantsay tanteraka tsy manana zom-pirenena malagasy ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, intsony aza moa takona toy izany rehetra izany ihany koa. Andrasana indray, araka izany, amin’ity manaraka ity hoe mbola ho takon’ny inona indray izany ity tranga naha menatra teo imason’izao tontolo izao manaraka ity?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap