airtel

Actualités

07-févr-2025

Fanamarinam-bolam-panjakana

Misy fanapahan-kevitra sy fikoropahana mampiahiahy…

Sample post image

Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?

07-févr-2025

Nanaitra ny fanapahana tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra ny alin’ny alarobia 05 febroary 2025 teo, izay niova tampoka teny am-pandehanana rehefa nandeha ny fanehoan-kevitra mivaivay. Voalaza tamin’ny voalohany teo amin’ny zana-dohateny Fanafoanana ny hoe : « Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola : nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-893 tamin’ny 19 jolay 2023 manendry ireo delegen’ny « Contrôle Financier » ». Rehefa nijanona nandritra ny ora maro teo io, dia niova mangingina indray, ka nesorina tao amin’ny fanafoanana, niova tany amin’ny Fanendrena mpiasam-panjakana ambony, lasa nivadika fandraisana didim-panjakana manova ny andininy sasantsasany amin’io lalàna 2023-893 io ihany, ka nisy ny fanendrena delege « Contrôle Financier » amina sampan-draharaha sasantsasany izay niisa 9 teo. Hafahafa ary maneho fikoropahana sy tsy filaminana ao anaty Fanjakana eo amin’ny lafiny fanaraha-maso ny fikirakirana volam-panjakana io, raha fakafakaina avy aty ivelany. Inona no nihemorana tampoka ? Toerana stratejika be ny resaka fanamarinam-bolam-panjakana ka nisy ve ny tsindry sy ambana amin’ny mety hisiana ampamoaka mikasika fitantanana tsy mazava ka nesorina ilay fanafoanana ? Betsaka ireo toe-javatra mety manova ny kajy ara-pitantanam-bola raha tsy hilaza afatsy ny fahapatahan’ny USAID izay mety misy tetibola sy anjara birikin’ny Fanjakana iraisana amin’ireny. Tsy tao anatin’ny kajin’ny Fitondrana ho an’ny tetibolam-panjakana 2025 rahateo io toe-draharaha goavana io. Any amin'ny volana may ao anatin'ny fivorian'ny Antenimierampirenena vao afaka hiditra amin’ny fanaboriana na "coupure budgétaire" ireo sora-bola efa nozaraina noho ny tsy fisian'ny vola miditra ao anatin'ny kitapom-bolam-panjakana, raha misy endrika mitovitovy amin’izany tiana hovaina. Misy kajy tian'ny mpitondra hatao toy ny tontolon’ny Fahasalamam- bahoaka sy ny Tontolo iainana ve mba tsy ahitana taratra fa miato any amin'ny efatra ka hatramin'ny enim- bolana any ho any ny fanaovana "engagement" an'ireo tetibola efa voafaritra sy efa notsinjaraina tamin'ny alalan'ny didy hitsivolana izay efa noraisina teo anivon'ny filan-kevitry ny Governemanta tamin'ny voalohandohan'ny volana janoary iny ? araka ny fanehoan-kevitra nandeha. Saika hofoanana ny didim-panjakana izay manendry ireo tompon'andraikitra mpanamarim-bola isaky ny Minisitera sy ny Faritany rehetra mba tsy ahafahan'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny hanao fandaniana hikitika ny sora- bola efa nomena azy ireo ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap