airtel

Actualités

24-oct-2022

Actualités

Fanamboaran-dalana ao Ambohitrimanjaka Vinaniana handaniana maherin’ny 40 tapitrisa Ariary

Sample post image

Anaty fampidiran-drano ahafahana manondraka ny tanimbary hanaovana fanetsana sy miazona ilay tetiandrom-pambolena vary aloha izao ny kaominin’ambanivohitr’Ambohitrimanjaka, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana,

24-oct-2022

Ihajason Randriamanalintsoa. Tahaka ny vina rehetra dia ho tanterahana amin’io oktobra sy novambra io ny fanatsarana ny lalana rehetra manodidina an’Ambohitrimanjaka miala eto amin’ny kaominina, hoy izy. Kitapom-bolan’ny kaominina madiodio no hanaovana izany, izany hoe miainga amin’ireo haba sy hetra isan-karazany. Ny zava-dehibe dia hoe misy ny rano fanetsana saingy ny olana tamin’ity taona ity dia ny tsy fisian’ny rano any amin’ny reniranon’i Sisaony. Ny alarobia teo izahay nijery sy nanara-maso ny lohan’ny renirano amin’iny moron’i Sisaony iny mihitsy. Iny moa mampiditra ny rano avy any amin’ny ilany atsimo sy andrefana amin’ny resaka fanetsana ny tanimbarin’Ambohitrimanjaka, izay marihina foana hoe 2100 ha. Saika ny antsasak’izay dia tokony tondrahan’ny reniranon’i Sisaony raha toa ka an’ny reniranon’Ikopa ny atsasany. Ara-dalana ny fampidiran-drano any Ikopa saingy tsy misy rano hampidirina kosa ao Sisaony fa ny fikojakojana sy fanarenana ny lakan-drano sy fandraisan-drano na taboaka dia efa nandaniana vola tsy toko tsy forohana izany hahatsara fampidiran-drano. Ny rano ampidirina amin’ny ilany atsimo mbola tsy misy ka mbola misy izany tanimbary maina tanteraka amin’izao fotoana izao. Efa vita moa izay fa ny fanamboarana ny lalana izany izao no vinaniana handaniana vola hatrany amin’ny maherin’ny 40 tapitrisa Ariary any, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap