Miray hina sy mifanampy isika », hoy ny ben’ny tanànan’ Antananarivo renivohitra, Harilala Ramanantsoa. Manoloana ny fahavoazana goavana mihatra amin’ny mponin’i Toamasina, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani dia mikarakara tolo-tanana ho an’i Toamasina ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra ka nanomboka omaly alakamisy ka hatramin’ny alahady dia afaka mandray ireo tolo-tanana avy amintsika mpiara-belona ho an’ireo traboina, ny tompon’andraikitry ny kaominina. PPN, sakafo tsy mora simba, na akanjo, vola, kojakoja, zavatra tsy miasa any an-tokantrano intsony fa mbola mety ilaina dia afaka aterina etsy amin’ny Parvis an’ny lapan’ny tanàna Analakely avokoa. Ankoatra izay, handefa mpamonjy voina ho any Toamasina koa ny kaominina Antananarivo renivohitra, hanome tanana ny any an-toerana raha ny fanazavana. Raha ho an’Antananarivo manokana dia nanamafy ramatoa ben’ny tanàna fa mitohy ny fandraisana an-tanana ireo traboina eto an-toerana mipetraka eny amin’ny « site d’hébergement ».
LALAINA RAV
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»