tia tanindrazana

Parution du Mardi, 7 Décembre 2021

airtel

Actualités

Fanampiana ny any Atsimo Manolotra 40 tapitrisa dolara ny Amerikana

Ahiana fa ity taona ity no mety ho ratsy indrindra any atsimon'i Madagasikara noho ny haintany sy ny tsy fanjarian-tsakafo,

15-juin-2021

Sample post image

 

 

 hoy ny fanambaran’ny Masoivoho Amerikana tao amin’ny tambajotran-tseraserany omaly 14 jona. Noho izany, ny governemanta Amerikana  amin'ny alàlan'ny USAID dia manolotra famatsiam-bola fanampiny mitentina 40 tapitrisa dolara hanampiana ny filana maika ara-tsakafo any atsimo, araka ny fampahafantarana. Hampiasa ity vola ity ny USAID hamatsiana vola ireo tetikasa tantanan’ny mpiara-miombona antoka aminy Programme Alimentaire Mondial UNICEF Madagascar, sy Catholic Relief Services izay mitondra fanampiana ara-tsakafo maika; mitsabo ny tsy fanjarian-tsakafo amin'ny zaza, ny vehivavy bevohoka sy ny tera-bao, manatsara ny fahadiovana, mitondra kojakoja fanampiny sy olona hiasa hiatrika ny vonjy taitra, ary manamboatra fantsakana mba hahazoana rano madio. Vahoaka eo amin’ny 729.000 eo no hisitraka ity fanampiana ara-tsakafo entin’ny tetikasa ity, hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny vehivavy bevohoka 19.800 sy tera-bao ary zaza 63.400, ary koa hanomezana fitsaboana ho an’ny zaza miisa 57.000 tratry ny tsy fahampian-tsakafo antonony na mahery vaika. Hatramin'ny 2015 i Etazonia no mpitondra fanampiana lehibe indrindra ho an’ny any atsimo. 229 tapitrisa dolara mahery no entiny, amin’ny alalan’ny USAID, mamaly ny filàna maikan'ny fianakaviana izay ianjadian’ny hanoanana sy mitondra vahaolana maharitra ho an’ny tsy fanjarian-tsakafo, hoy hatranny ny Amerikana.

Toky R

Dans la même rubrique

Card image cap
Ambatondrazaka Mirongatra ny fanolanana zaza tsy ampy taona
07-déc-2021

Mirongatra ny fanolanana zaza tsy ampy taona any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Zazavavy kely iray vao 11 taona indray no fantatra fa naolan’ny vadin’ny anabavin-dRainy in-telo

Card image cap
Ady tany ao Amboditandroroho Toamasina II Mihenjana ny tady eo amin’ny mponina sy ny Filatex Tonga vao maraina ny sabotsy 4 desambra 2021 teo ny vad
06-déc-2021

intany nahazo didy avy amin'ny fitsarana hanala ny fefy nanakanan'ny orinasa Filatex hidiran'ny mponina sy ireo miasa ao anatin'ny tany lazainy fa ananany taratasy maha tompony azy,

Card image cap
Rano tapaka lava Mitombo ny hatezeran’ny mponin’Itaosy
06-déc-2021

Tena mijaly ny mponina eny Andranonahoatra Itaosy ka hatrany amin’ny cité des assureurs. Miha mafy hatrany ny fitakian’ireo mponina eny Itaosy mikasika ny olan-drano eny an-toerana.

Voir plus