airtel

Actualités

07-juin-2023

Actualités

Fananganana sainam-pirenena « Tokony efa fantatra fa tsy hoe entanina vao atao»

Sample post image

Nanomboka ny fiandohan’ny volana jona lasa teo ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona no sady fananganana ny sainam-pirenena ho an’ny isan-tokantrano ho mariky ny fiandrianam-pirenena

07-juin-2023

Mbola betsaka anefa ireo tsy manao izany izay tsy noho ny tsy fahalalana loatra amin’ny ankapobeny fa noho ny antony hafa ihany koa. Ho an’ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano manokana dia nanambara ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina omaly fa tsy manentana ny vahoaka mba hanangan-tsaina izy ireo. Tokony efa fantatry ny olona izany hoy izy fa rehefa hankalaza ny fetim-pirenena 26 jona dia manangan-tsaina izay fety iraisana, izahay rahateo kaominina kely. Ankoatra izay hoy hatrany ity Ben’ny tanàna ity dia efa tena manahirana ny miresaka amin’ny olona amin’izao. Sorena ny olona amin’ny hafitsoky ny JIRAMA. Sorena koa ny olona amin’ny fisamborana etsy sy eroa ho an’izay mamoaka hevitra hoy izy ka ny sainy mihitsy no tsy mazoto. Manampy trotraka izany hoy hatrany izy ny tsy fatoriana amin’ny alina amin’ny fiambenana ny tanana noho ny hamaroan’ny mpangalatra nefa mbola miasa maizina ihany koa. Ho an-dRado Ramparaoelina araka izany dia manana ny antony ny olona matoa manangan-tsaina, nefa manana ny antony ihany koa izy matoa tsy manangana. Ho azy ireo manokana moa dia hisy ny afomanga ho an’ny fetin’ny 26 Jona ho avy izao saingy vao hakana alalana sy fahazoan-dalana any amin’ireo ministera mpikarakara isan-tsokajiny izany.
Pati
Legende : Rado Ramparaoelina, Ben’ny tanànan’ny kaominina Ampitatafika nitondra ny fanazavana
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap