mba hanangonana ireo fako eto Antananarivo renivohitra ary hanaterana izany any Andralanitra. Tsy mbola misy vola miditra anefa ny SMA amin’izao fa ny mivoaka no betsaka raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra antony mahatonga ny solika tsy ho ampy ihany koa ka ireo toerana hita fa tena be fako mivangongo no tsy maintsy vonjena. Ho an’ny Fokontany Ampefiloha manokana dia fantatra fa mahatratra 5 taonina isan-kerinandro ny fako mivoaka avy amin’ireo tokantrano ao an-toerana. Nihena io lanjan’ny fako nangonina io indrindra taorian’ny nampianarana ireo olom-pirenena ny fomba fanavahana ny fako, raha araka ny fantatra. Nanamaivana ny asan’ny SMA sy ny RF2 izay mandroaka ny fako izany. Lasa hain’ny mponina mantsy ny manavaka ireo fako mora lo sy ny fako tsotra ka tsy misy lalitra miangona sy fofona maimbo miely intsony raha miasa ao anatin’ny fahadiovana ihany koa ny RF2. Tapitra ny faran’ny herinandro teo ny tetikasa fampianarana ireo mponina ao Ampefiloha momba ny fanavahana fako. Hifindra any Ankadindramamy indray izany mba ho tombontsoan’ny mponina.
Pati
Legende : Miezaka ny tsy hampivangongo ny fako eto an-drenivohitra tahaka izao ny SMA !
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»