airtel

Actualités

19-déc-2022

Actualités

Fanaovan-gazety sy serasera Nodimandry i Ramanana Indriantiana Jaomaharo

Sample post image

Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry omaly alahady 18 Desambra teo amin’ny faha-47 taona Ramanana Indriantiana Jaomaharo,

19-déc-2022

mpanao gazety fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe : Doda. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia efa fotoana naharitra izy no narary. Aretina nitarika ny fahasemporana no nahavoa azy, antony nahatonga izao fandaozany tampoka ny tany izao. Raha tsiahivina dia mpanao gazety nikirakira ny vaovao momba ny fanatanjahantena tao amin'ny gazety Le Quotidien tamin'ny fotoan'androny Itompokolahy.Vao tsy ela ihany koa no nananganany ny vondron-tserasera Askizaka, niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy izay mbola tafiditra ao anatin’ny tontolon’ny serasera hatrany. Ny alarobia ho avy izao moa no halevina eny Ambohimalaza ny nofo mangatsiakany. Namela mananontena iray sy kamboty mianadahy Itompokolahy. Mirary fiononana feno ary Mankahery ny fianakavian’i Doda.
Pati
Legende : I Doda fony fahavelony
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap