airtel

Actualités

07-sept-2021

Actualités

Fanaovana vola sandoka 7 lahy no tratra, 15 taona no zandriny indrindra

Sample post image

Lehilahy miisa 07 no nosamborin’ny avy ao amin’ny CSP Mahanoro omaly Alatsinainy noho ny fanaovana vola sandoka

07-sept-2021

. Miparitaka izaitsizy mantsy ny vola sandoka any amin’ny distrikan’i Mahanoro ka nanokatra fanadihadiana ny Polisim-pirenena. Olona tsara sitrapo no nahafantarana fa ao amin’ny fokontany Tanamborozano sy Port Fluvial no misy ireo mpanao vola sandoka ireo. Nitohy hatrany ny fikarohana ka hita ilay toerana fieren’ireo olon-dratsy izay fantatra fa tena fikambanan-jiolahy mihitsy. Omaly tokony ho tamin’ny 06 ora maraina moa no nanomboka ny fisamborana azy ireo izay naharitra ora 3 teo ho eo. Zazalahy kely vao 15 taona monja no zandriny indrindra izay nosamborina noho ny fandraisany anjara tamin’izao raharaha izao. Tamin’ny fisavana ny tranon’izy ireo dia vola 20.000Ar sandoka sy 5.000Ar sandoka mitentina 40.625.000 Ariary ary vato sarobidy tsy tena izy 03 karazany no tra-tehaky ny Polisy. Mbola mitohy ny fanadihadiana.
Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap