Diso manararaotra mpanjifa loatra ireo orinasam-pifandraisana miisa telo mikirakira ny fandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday (mobile money) eto amintsika. Nampiaka-peo nanoloana izany ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa toy ny PMH sy ny MCI.Etsy ankilan’izay, nambaran’izy ireo fa efa lasa gaboraraka loatra ny fandefasam-bola sy fakana vola amin’ny finday eto amintsika. Toa tsy misy lalàna mazava intsony hoy Atoa Andovola Razafindralambo filohan’ny MCI fa samy manao izay tiany hatao ireo mpanao « cash point ». Samy mametraka izay saran’ny vola tiany alaina ny tsirairay hoy izy raha tokony hisy peta-drindrina mazava mihitsy izany. Ankoatra izay dia nampiaka-peo azy ireo ihany koa ny fisian’ireo cash point sasany hividianana fahana 500 na 1000 Ar dia tsy maintsy misy sarany 100 Ar hatrany hatrany….Nilaza moa ireo mpanao cash point fa mba maty antoka ihany koa izy ireo amin’ny ataon’ireo orinasa miisa 3 ireo koa manaitra ireto farany mba samy ho tonga saina tsy hanararaotra ny mpanjifa sy ireo mpiara-miasa aminy.
Pati
Legende : Tena samy manao izay sarany mety aminy ireo mpanao « cash point » eto amintsika amin’izao.
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny