airtel

Actualités

15-sept-2022

Actualités

Fanararaotana mamoafady mahazo ny ankizy Hanaovana ny ezaka ny ady hatao aminy, hanampy ny ONUDC

Sample post image

Nandray ny an’Atoa Neil Walsh, solontenan’ny birao rezionalin’ny ofisin’ny firenena mikambana miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina sy ny helokabe vava ho an’i Afrika Atsinanana na ny ONUDC ROEA ny jeneraly

15-sept-2022

 Serge Gelle, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarinariam-pirenena omaly. Teny amin’ny biraony teny Betongolo no nanatanterahany izany. Niompana tamin’ny fifanakalozan-kevitra manoloana ny tetikasan’ny ONUDC ny fihaonan’ny roa tonta nandritra izany ka anisan’ireny ny ady amin’ny fanararaotana mamoafady mahazo ny ankizy mitranga eto Madagasikara, ny fizahantany mamoafady, ny fiparitahan’ny zva-mahadomelina eny anivon’ny sekoly sy eny amin’ny faritra iva, ny heloka be vava, ny famarinan’olona, ny resaka tsy fandriampahalemana, ny resaka fahasalamana, …Haravona ao anatin’izany avokoa ireo filan’ny governemanta Malagasy mba hahafahana mitady vahaolana….Nambaran’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena fa tena mila izany fiaraha-miasa izany ny fitondram-panjakana Malagasy. Zava-dehibe ho anay hoy izy ny fisian’ny ONUDC miara-miasa aminay hahafahana miady amin’ireo olon-dratsy manimba ny taranaka faramandimby. Hohampiharina eto amintsika araka izany io tetikasa io.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ny roa tonta
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap