airtel

Actualités

27-avril-2023

Actualités

Fanarenana ny takaitran’ny rivodoza Nahazo 1,5 tapitrisa dolara i Madagasikara

Sample post image

Misitraka ny famatsiam-bola “indemnité d’assurance aux cyclones tropicaux”, entina hiatrehana ny fiharenana noho ny takaitra navelan’ny rivodoza Freddy I Madagasikara.

27-avril-2023

Voalaza mantsy, fa maherin’ny 2 tapitrisa ireo olona lasibatr’io rivodoza io, raha ny fanadihadiana. Nahatratra 481 tapitrisa dolara kosa no tomban’ny fahapotehana ara-toekarena nateran, raha ny tomban’ny governemanta Malagasy. Tontosa omaly 26 aprily 2023 teny Anosy noho izany ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny taratasim-bola 1 203 909 USD ho an’ny governemanta malagasy, sy 300 977 USD ho an’ny an’ny PAM na ny Fandaharan’asa iraisam-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara mba hoentina hanarenana ny fahavoazana. Distrika 13 nokasihin’ny rivodoza sy lasibatra no voalaza fa hisitraka ny tetikasa hampiasana ny famatsiam-bola, ka anisany ny any Atsimo Andrefana. Hampiasaina amin’ny asa takalo vola na « argent contre travail », hoentina manampy ara-tsakafo ny tokantrano marefo, ary hanajariana tanimbary 30 000ha tondraka sy simba tanteraka ny voly teo ambony io ka tafiditra amin’izany ny famatsiana masomboly sy zezika ho an’ny fambolem-bary,… Ho an’ny PAM manokana, dia isan’ny hampiasana ilay vola ny fiahiana ara-tsakafo ho an’olona 33 000 any amin’ny distrikan’I Nosy Varika sy Mananjary,... Raha ny tatitra, tao anatin’ny 2 taona, dia nisitraka famatsiana efatra mitentina 14 842 027 USD ny firenena malagasy ho fiatrehany ny loza ara-toetr’andro maro niatra taminy. Tanteraka izany amin’ny maha-mpikambana azy amin’ny rafitra ara-bola fiarovana amin'ny loza ateraky ny toetr'andro, iarahana amin’ny vondrona ARC (African Risk Capacity), hoy ny yfanamarihana. Nambaran’ny mpitondra etsy ankilany, fa tafiditra anatin’ny vinan’ny Filoham-pirenena hananan’ny Firenena faharetana ara-bola na “résilience financière” manoloana ny loza isan-karazany sy ny voka-dratsin'ny loza ara-toetr'andro izany io. Niseho tamin’ny endrika vitsivitsy moa ny fanaovan-tsonia omaly, ka nisy ny teo amin’ny ARC, ny CPGU (Cellule de Prévention et Gestion des Urgences) ary ny PAM, sy teo amin’ny governemanta, ny ARC ary ny PAM. Irariana mba tena ho amin’ny asa fanarenana sy fanavotana ny vahoaka tokoa no hampiasana ny vola ary tsy hotaingenana amin’ny sehoseho politika hoentina hanasongadinana tsangan’olona iray ao anatin’izao vanim-potoana akaiky fifidianana izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap