airtel

Actualités

20-févr-2026

Fanarenana sy fanadiovana ny JIRAMA

2000 miliara Ar ny trosa ahilika,

Sample post image

100 miliara Ar isan-taona ny hosoka,...

20-févr-2026

Miatrika vesatry ny trosa mahatratra 2000 miliara ariary ny JIRAMA, lova navelan’ny fitantanana teo aloha, araka ny fanazavan’ny Tale Jeneraliny, Jeneraly Hajatiana Rasolomana. Nambarany fa ny iraka ampanaovina azy dia ny hanarina ny orinasa, ka hahilika avokoa izay tolotra mety hampidi-trosa sy handetika ny JIRAMA. Raha tsiahivina, manodidina ny 200–250 tapitrisa dolara isan-taona ny tohana ara-bola na “subvention” nentin’ny fitondrana teo aloha. Isan’ny fepetra napetraky ny mpiara-miombon’antoka ara-toekarena sy ara-bola ny fanafoanana tsikelikely izany tohana izany sy ny fampiharana ny vidiny tena izy amin’ny solika. Ankoatra ny trosa, mbola vesatry ny orinasa ny halatra sy hosoka mitentina hatramin’ny 100 miliara ariary isan-taona, ka mitohy ny hetsika fanadiovana sy fanaraha-maso. Kendrena amin’izany ny hanamaivanana ny tambajotra efa mavesatra, ny hanatanterahana ny fangatahana mihoatra ny 13 000 mbola miandry, ary ny hanatsarana ny fahamarinan-toeran’ny vola ao amin’ny orinasa. Araka ny fanazavana, manana ampy ny vokatra herinaratra ho an’ny tambajotra iraisan’Antananarivo. Ny fitsinjarana no antony mahatonga ny fahatapahan-jiro indraindray, satria misy sous-station mitondra hatramin’ny 122% ny enta-mavesatra, toy ny Tana-Sud Anosizato. Ho an’ny faritra, efa tonga ny 19 amin’ireo milina mpihary herinaratra 116 novidian’ny JIRAMA sy ny Fitondram-panjakana. Efa misitraka izany i Ampanihy, Antanambao Manampotsy, Marolambo, Ambatoboeny, Nosy Varika, ary mbola hahazo hatramin’ny faran’ny volana Mey 2026 ny sisa. Ny tanjona lehibe dia ny famerenana ny fitokisan’ny mpanjifa, ny fanatsarana ny tambajotra, ary ny fanarenana ny toe-bolan’ny orinasa, na dia eo aza ny vesatry ny trosa sy ny fanamby ara-teknika.

TSY FAHAMPIAN-DRANO
Mbola maro ny faritra eto Antananarivo miatrika tsy fahampian-drano. Ny famokarana ao Mandroseza, latsaky ny 100 000 m³ isan’andro, no mahatonga ny rafitra “tour d’eau” ho tsy maintsy ampiharina. Mba hanamafisana ny fizarana maharitra, asa maro no efa mandeha:Fanavaozana ny citerne ao Ambohidempona sy ny surpresseur ao Antsahameva; Fanoloana ny filtre ao Mandroseza sy ny fantsona simba 6 km; Fanitarana ny Mandroseza III (40 000 m³); Tetikasa Jirama Water III ao Amoronakona (50 000 m³); Fanamboarana fantsakana mihoatra ny 30 manerana ny toerana samihafa.

FANARENANA ANY TOAMASINA
Nananambara ny Tale Jeneraly fa efa 60%-n’ny mpanjifa no misitraka rano amin’izao fotoana izao. Amin’ireo zotra MT (Moyenne tension) miisa 11, efa mandeha ny 6, izay laharam-pahamehana toy ny hopitaly, banky, fonja ary toby miaramila. Hojerena tsirairay kosa ireo zotra BT (Basse tension) mamatsy tokantrano, sao misy mampidi-doza.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap