airtel

Actualités

13-févr-2026

Fandaharana MAHASAKY, Top Radio

Sao heverinao fa tsy mahara-baovao

Sample post image

ny mpamosavy, hoy i HARDY

13-févr-2026

Noresahan’i Clara, mpanetana fandaharana sy Hardy, vahiny nasaina manokana tao aminny Top Radio 102.8 Fm nandritry ny fandaharana MAHASAKY ny alakamisy alina teo ny lohahevitra hoe « Ny vorika sy Mosavy. Araka ny lovan-tsofina dia voalaza fa ny olona antitra, na efa lehibe no mazàna mivoaka alina sy mandeha mamosavy. Lasa natahorana sy nananarana ny taranaka izany, toy ny hoe " tandremo sao aronin’iny ny vava". Fahiny izany. Ankehitriny kosa dia malaza fa tsy vitsy ny tanora no mivoaka alina mandeha mamosavy, ary voalaza fa ianarana mihitsy io resaka io, toy ny taranja any an-tsekoly hoy i Hardy. Mivoaka eny amin’ ny tambajotran-tserasera ny amin’ny fiadiana sy fiarovana amin’ny mpamosavy. Karazan-javatra maro no lazaina amin’ izany. Fa ny tena malaza dia ny fampiasana voanjobory. Ihomehezan-dry zareo fotsiny hono izany, hoy hatrany i Hardy satria iza moa no milaza sy manamarina fa tsy manana Android na i-phone ny mpamosavy ka tsy aharaka facebook ? Ary faly aza ny mpamosavy rehefa mijery eny amin’ny fb fa hoe raraho voanjobory ny tanàna satria vao mainka milaza hono zareo hoe misaotra fa nanome anay fangaron-daoka, hoy hatrany ny fanazavan’i Hardy. Ary ireny lazaina fa ody mpamosavy sy fanakanana azy ireny dia iadian-kevitra eo amin-dry zareo samy zareo sady ihomehezany fa avy dia efa manomana paikady malaky ry zareo tsy hahavoasambotra azy na hanakanana azy tsy handeha hivoaka alina. ENCADRE Ny fandaharana MAHASAKY , araka izany aarany izany dia handrenesanao ireo trangam-piarahamonina na trangam-pianana , na fomba fijery sokajiana ho hafahafa ary tsy dia sahin’ny fiarahamonina resahana firy. Isaky ny alakamisy manomboka amin’ny 8 ora alina ao amin’ny Top Radio 102.8 FM
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap