hoy ny fampitam-baovaon’ny ben’ny tanana ao Ambositra, Haingo Nambinina, nidina ifotony nijery ny fahavoazana nateraky ny rivodoza Freddy izay nandravarava tao an-toerana. Isaorana ny DREN, ny CISCO hanampy, hoy izy. Izay tsy tratra angatahana fiaraha-miasa amin'ny fanjakana. Ambobary, Ankorokana, Antoetra, manolo-tanana, manampy, nanome izay voatsirambin'ny tanana, hamatsihana ny tafo, hanapahana ny hazo. Lalana ankeniheny , tena sarotra ny fandrasana. Eny rehetra eny isika mankahery ny vahoaka. Isaorana Andriamanitra fa tsy nisy aina nafoy. Mankahery ny traboina sy rava fananana. Manao ny zara asa ary mankahery ny sampana tekinika na “service technique” amin'ny asa be fandiovana, hoy hatrany ny tenany. Araka ny fampitam-baovao hafa moa dia nisy fahavoazana ny maro tamin'ireo CSB na tobim-pahasalamana ao amin'ny distrikan’Ambositra toa an'i Nandihizana. Ny trano fonenan'ny mpiasa ihany koa dia nisy voakasika, tahaka ny tao amin’ny CSB 2 Vatambe sy CSB 2 Ambatofitorahana ary ny tao Alakamisy Ambohijato. Maro nefa ireo simba ny foto-drafitr'asa tahaka ny “fausse sécurisé” izay rava fefy toy ny tao amin’ny CSB 1 Ambalalehibe, CSB 2 Fahizay,CSB 1 Ankosy,CSB 1 Behena Fandraofana. Ny fahasimban'ny “Panneau solaire” tao Kianjandrakefina. Na Dia nianjera aza ilay hazo be teo akaikin'ny biraon'ny SDSP dia tsy nahakasika ny trano izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny