airtel

Actualités

23-janv-2023

Actualités

Fandalovan’ny Rivodoza Cheneso Feno rano ny tanàna, traboina i Mahajanga

Sample post image

Dibo-drano tanteraka ireo faritra iva ao Mahajanga Renivohitra, vokatry ny rotsak'orana matevina nentin'ny rivodoza Cheneso.

23-janv-2023

Anisan'ireo faritra miisa 8 nahazo fampitandremana noho ny rotsak'orana matevina rahateo ny Faritra Boeny, ka io lasibatra io i Mahajanga satria toerana maro dibo-drano. Anisan'ny tena voa mafy ny fokontany Tsararano, Ambalavola, Fiofio ho an'ny omaly. Hatramin'ny omaly tolakandro, nahatratra 657 ny olona traboina nafindra toerana tao amin'ny EPP Fiofio. Tao amin'ny tranon'ny fokontany Ambalavola izy ireo no noraisina voalohany saingy dibo-drano tao noho ny orana nikija tsy niato ka izao nafindra izao. Misy kosa ireo olona amin'ny fokontany hafa izay tsy mbola nifindra noho ny tahotra amin'ny mety ho fandrobana ny fananany. Niara-nisalahy tamin'ny famonjena sy fandraisana an-tanana ireo tra-boina ny BNGRC sy ny Rantsa-mangaikan'ny Minisiteran'ny mponina. Niezaka nanala fako banentsina ny "clapet" eo amin'ny tetezan'i Fitim ny ekipan'ny kaominina ambonivihitr'i Mahajanga miaraka amin'ny mpitandro filaminana, izay heverina ihany amin'ny lafiny iray fa zavatra efa tokony ho natao nialoha. Ankoatra izay, tapaka ihany koa ny RN4 miazo an'i Mahajanga omaly noho ny ranobe teo Antanambao Ambovondramanesy.
FARITRA 8 NAHAZO FAMPITANDREMANA
Faritra miisa 8 no nahazo filazana fampitandremana satria ho betsaka hatrany ny rotsak'orana amin'ny faritra avaratra andrefana sy atsimo atsinanan'ny Nosy ary ny faritra sasany amin'ny afovoan-tany, araka ny fampahafantarana navoakan'ny Foibe famantarana ny toetr'andro. Hahatratra 70 hatramin'ny 100mm/24ora izany rotsakorana izany; ary tombanana haharitra hatramin'ny rahampitso 24 janoary. Miteraka fiakaran'ny renirano, fanelingelenana amin'ny fahitana, rano miandrona sy ranotrambo ary fihotsahan'ny tany io habetsaky ny rotsakorana io. Mihatra, araka izany, ny filazana fampitandremana momba ny fahabetsahan'ny rotsakorana, ho an'ny distrikan'Ambanja, Bealanana, Analalava, Antsohihy, Boriziny, Mampikony, Besalampy, Mahanoro, Marolambo sy ny distrika rehetra ao amin'ny faritra Boeny, Vatovavy, Fitovinany ary Analamanga.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap