fifaninana iraisam-pirenena momba ny fandrahoan-tsakafo hiarahan’ireo Firenena miisa 12 manerantany. Anisan’ny voafantina handray anjara amin’izany i Madagasikara izay fantatra fa manana solontena miisa 2 sy mpanazatra iray, tarihin’i Sefo Lalaina. Andiany fahasivy izy ity raha tsiahivina karakarain’ny Confederation international des charcuteries et des traiteurs. Anisan’ny hiadivana mandritra izany ny amboara iraisam-pirenena ho an’ny fandrahoan-tsakafo ka ankoatra ny fahaiza-manaon’ny mpandray anjara dia anisan’ny hojerena amin’izany ny fahaizany mamorona sy ny fanavaozany hatrany ny vokatra hatolotr’izy ireo. Tsiahivina moa fa firenena matanjaka avokoa no handray anjara amin’ity fifaninana ity toa an’i Japon, Italie, Singapour, Tcheque….Manantena ny hibata ny amboara amin’ity fifaninana ity moa ireo ekipam-pirenena Malagasy izay tsiahivina fa efa fanin’efany izao no nahavoafantina an’i Madagasikara handray anjara ao anatin’izany.
Pati
Legende : Mitarika izany any Lyon France ny sefo Lalaina izay tsy zoviana amin’ny maro intsony !
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny