airtel

Actualités

23-janv-2025

Fandrahoana sakafo-Fifaninana eran-tany

Haneho ny fahaiza-manaony ireo solontena Malagasy

Sample post image

Hotanterahina anio Alakamisy 23 Janoary any Lyon France ilay

23-janv-2025

fifaninana iraisam-pirenena momba ny fandrahoan-tsakafo hiarahan’ireo Firenena miisa 12 manerantany. Anisan’ny voafantina handray anjara amin’izany i Madagasikara izay fantatra fa manana solontena miisa 2 sy mpanazatra iray, tarihin’i Sefo Lalaina. Andiany fahasivy izy ity raha tsiahivina karakarain’ny Confederation international des charcuteries et des traiteurs. Anisan’ny hiadivana mandritra izany ny amboara iraisam-pirenena ho an’ny fandrahoan-tsakafo ka ankoatra ny fahaiza-manaon’ny mpandray anjara dia anisan’ny hojerena amin’izany ny fahaizany mamorona sy ny fanavaozany hatrany ny vokatra hatolotr’izy ireo. Tsiahivina moa fa firenena matanjaka avokoa no handray anjara amin’ity fifaninana ity toa an’i Japon, Italie, Singapour, Tcheque….Manantena ny hibata ny amboara amin’ity fifaninana ity moa ireo ekipam-pirenena Malagasy izay tsiahivina fa efa fanin’efany izao no nahavoafantina an’i Madagasikara handray anjara ao anatin’izany.
Pati
Legende : Mitarika izany any Lyon France ny sefo Lalaina izay tsy zoviana amin’ny maro intsony !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap