airtel

Actualités

16-févr-2022

Actualités

Fandraikiraikena Manana paikady hafakely ireo mpisoloky Cash point

Sample post image

Tovolahy miisa 02 no voasambotry ny Polisin’ny Fifamoivoizana tetsy Ankazomanga omaly tokony ho tamin’ny 10 ora maraina rehefa nisoloky.

16-févr-2022

Fisolokiana miaro fandraikiraikena no nampiasain’izy roa lahy ireto ka mpitazona cash point iray no lasibatra. Lasan’izy ireo 500.000 Ar tao anaty orange money ary lelavola iray hetsy kosa no azon’izy roa lahy teo no ho eo. Tovolahy miisa roa 29 taona sy 26 taona no nanatona irony toerana fangalana vola avy amin’ny finday irony na « Cash point », rehefa tonga teo izy ireo dia nilaza fa hisy handefa vola fa tsy manana laharana afaka andraisana izany ka niangavy ilay tao amin’ny cash point mba hanome azy ireo ilay laharana misy Mvola mba hahafahan’ilay olona mandefa ilay vola, nolazan’izy ireo fa vola 100.000 Ar ny vola ho alefan’ilay olona. Nomen’ny ity ramatoa ity ny laharana ary nisy nandefa vola izay nahagaga ity farany fa vola mitentina 1.000.000 Ar no tonga tao amin’ilay finday. Niantso avy hatrany ilay olona nandefa ilay vola ary nilaza fa diso ny sandam-bola nalefany ka nangatahany ilay tompon’ny cash point mba hamerina ny 800.000 Ar ary omena an’izy roa lahy ny 100.000 Ar ary ny ambiny hanesorana ny sandan’ny fandefasana ilay vola. Nanome laharana finday Orange ity olona nandefa ilay vola ka nalefan’ny tompona cash point ny vola 500.000ar fa tsy ampy intsony ny vola ao amin’ny kaonty Orange money. Rehefa lasa ny vola ary voarain’izy roa lahy ny 100.000 Ar dia lasa izy roa lahy rehefa tongatonga saina ity mpitazona ny cash point ity dia niverina nijery ilay someso izay nandraisany vola akory ity hagagany fa laharana finday tsotra fa tsy Mvola no nandefa ilay vola. Niantso Polisy teo akaiky teo avy hatrany ilay tompon’andraikitra ka teo no nanaovana velam-pandrika. Nantsoin’ilay madama ireo roa lahy naka ilay vola ka nilaza izy fa mbola misy ambin’ilay vola efa vonona ato ka miverena, niverina izy roa lahy ka nosamborin’ny Polisy teo rehefa nantsoina ilay laharana finday an’ilay mpisandoka nilaza fa nandefa vola dia tsy nandray antso intsony izy. Nentina avy hatrany teny amin’ny kaomisaria centrale Tsaralalana izy roa lahy nanaovana fanadihadiana.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy mpisoloky
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap