airtel

Actualités

25-avril-2025

Fandraisam-pitenenan’i Andry Rajoelina

Nitsefotra indray ny jiro teny amin’ny CCI

Sample post image

Niseho indray ny tsy nampoizina omaly teny amin’ny CCI Ivato, tao anatin’ny fanokafana ny Fivoriamben’ny

25-avril-2025

Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina. Tapaka tao anatin’ny Minitra vitsy indray ny jiro teny an-toerana, tao anatin’ny fandraisam-pitenenan’ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina mihitsy, ary teo amin’ny lahateniny mikasika ireo tetikasa momba ny angovo. « Tompon'andraikitra feno amin’ny lesoka nitranga nandritra ny kabarin'ny Filoha Andry Rajoelina ireo tompon'andraikitra ara-teknika nandritra ny kabarin'ny Filoha tamin’ny COI ny maraina teo.Tokony hitondra fanazavana ara-teknika ireo teknisianina ary misokatra ny fanadiadiana mahakasika ity tranga ity », raha ny fanazavan’ny Minisitry ny serasera sy kolontsaina Rtoa Mara Donna taorian’ny tranga. Hisy araka izany ny fandraisana andraikitra hoan'ireo izay tsy nanao ny asany tamin’ny antsakany sy andavany, raha ny fanamarihana. Olana teknika moa voalaza fa antony, hoy kosa ny fanazavan'ny tomponandraikitry ny orinasa NYR IMAGE izay naneho fialan-tsiny fa noho ny olana ara-teknika nahazo ny milina famokarana herinaratra (groupe électrogène) nampiasainy no antony. Ny teny amin'ny "scène" no nisy olana, satria ny "sono" sy ny "micro" nitenenan'Atoa Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara dia samy nandeha tsara avokoa", hoy ny fanamarihana. Na izany aza, marina fa manao zavatra tsy mora, ary tsy ilaozan’izay sampona tahaka ireny, saingy lasa misy endrika fahafaham-baraka ihany. Afa-doza izany ny Jirama teto. Tsy vao sambany rahateo no nisy fahatapahana tahaka izao tao amin’ny CCI fa ny jona 2022 dia efa tratra tahaka izao i Andry Rajoelina ka nilazany tamin’izany hoe: "Tsy afaka hifampiresaka anaty haizana isika, tsy mety zao zavatra mitranga sy miseo izao.". Toe-javatra maneho sy manamafy fa mbola tsy voafehy sy marefo ny resaka angovo sy herinaratra eto, ka na efa angovo mahaleo tena aza no nampiasaina rehefa tsy natokisana na nahiana ho tapatapaka ny an’ny Jirama, dia mbola tsy nilaozan-tsampona indray. Moa tsy izany ilay hoe : rehefa tsy mety ny atao dia ny ranon’ampango aza misy voay ?
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap