airtel

Actualités

07-août-2023

Actualités

Fandraisana ny atletan’ny Lalaon’ny Nosy

Sample post image

Tsy mbola voaloa ny volan’ireo Hotely…

07-août-2023

Tapa-bolana mahery kely sisa dia higadona ny fotoana hanatanterahana ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 eto Madagasikara, izay hatao ny 25 aogositra hatramin’ny 03 septambra 2023. Zava-dehibe ny finiavana, ary voninahi-pirenena izany handray lalaon’ny Nosy izany. Betsaka kosa ireo lesoka na izany na tsy izany! Na mampanantena aza ny Fitondram-panjakana fa hatao avo folo heny no tany Maorisy ny kalitaon’ny fikarakarana sy ny fanomanana, dia miharihary hatrany ny petatoko niainga hatrany am-boalohany. Isan’ny lainga sy fampanantenana poakaty ny nilazana fa hatao eny amin’ny Tanamasoandro eny Imeritsiatosika ny Lalao, ary efa nisy mihitsy ny fampiderana makety. Tsy misy tanànan’ny lalao na “Village des jeux”, ka hampiantranoana amin’ny hotely hampiantranoana ny atleta. Raha ny fitarainan’ireo Hotely voasafidy mandray izany, nasaina nanao famandrihana 80 hatramin’ny 100% amin’ny efitrano ao aminy ireo Hotely voasafidy eto an-dRenivohitra mba hampiantrano ireo atleta. Manao famandrihana ny Fanjakana, ka voalaza fa tokony ho naloa hatramin’ny faran’ny jolay teo. Efa samy nampahafantatra ny faktioran’ny Hotely arakaraka ny efitrano efa voafandrika, kanefa hatramin’izao mbola tsy voaloa ny vola, hoy ny fitarainan’ireo Hotely. Tany amin’ny tapaky ny volana jona no efa nisy ny fitarainana voaray, momba ny fikasana hanery mivantana na ankolaka ireo mpandraharaha mba hampiantrano an’ireo atleta satria tsy maintsy misy toerana hampiantranoana azy ireo. Betsaka no roboka satria sitrany ahay. Vao avy nandalo krizy rahateo isika, ka anisan’izany ny sehatry ny fandraisam-bahiny, ka mihevitra fa mba hisy jinjany kely ity lalaon’ny Nosy ity. Miantso ny mba hisian’ny tena fandoavam-bola ara-dalàna izy ireo noho izany. Marihina fa mahatratra 2278 ireo atleta vahiny ho avy eto, raha toa ka 1000 eo ny antsika Malagasy. Mangataka antoka mazava sy fandoavana vola ara-potoana ireo mpisehatry ny raharaham-bahiny sao ho tratry ny fandrirarina ny fandoavana ny volany.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap