airtel

Actualités

09-déc-2022

Actualités

Fandraofana ny fako Nahazo fiara lehibe iray ny kaominina

Sample post image

Tena mihavosa ny fako eto an-drenivohitra. Noho ny tsy fahampian’ny kamiao sy ny vola eo am-pelatanan’ny kaominina sy ny orinasa SMA no voalaza fa anton’izany.

09-déc-2022

Ho an’ny tetsy amin’ny tsenan’Anosibe manokana dia nisy ny fandraofan’ireo mpivarotra sy fokonolona tsikelikely izany tamin’ny sarety enti-tanana ho fisorohana ny aretina tsy hiparitaka. Tonga nanolotra fiara lehibe iray hampiasain’ny kaominina araka izany omaly ny Fondation VISEO. Raha araka ny fantatra dia hoentina hanampiana ny kaominina Antananarivo amin’ny fitantanana sy fandaminana ny fako eto an-drenivohitra ary hamenoana ireo fitaovana fampiasan'ny SMA no anton’io fanomezana io.Nanolotra solosaina miisa 42 ho an'ireo boriborintany enina ihany koa ny Fondation VISEO, hahafahana manamora ny fikarakarana ny fomba fitantanan-draharaha ho an’ny mponin’Antananarivo ary hirosoana tsikelikely any amin’ny nomerika sy ny informatika. Nankasitraka feno izao fihetsiky ny Fondation Viseo izao araka izany ny Ben’ny tananan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina ary nambarany fa mavesatra sy mankadiry ny andraikitry ny kaominina noho izany ilaina ny fifanomezan-tananan’ny rehetra tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay kamiao handraofana fako
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap