airtel

Actualités

13-mars-2023

Actualités

Fandrarana ny “8 martsa” dila fotoana Tsy nanan-kery tamin’ny olon’ny IRD…

Sample post image

Na efa nisy aza ny tenimita nataon’ny Minisiteran’ny atitany nandrara ny hetsika 8 martsa ho an’ny fotoana efa dila, dia tsy nihatra tamin’ny rehetra io.

13-mars-2023

Norarana tsy afaka hanao fanamarihana ny 8 martsa ny tany Fenoarivo Atsinanana ny sabotsy 11 martsa teo, ary nisy mihitsy ny naoty navoakan’ny Prefet tany an-toerana. Tsy mba tahaka izany ny tany Antsiranana ny sabotsy teo ihany. Raikitra ny hetsiky ny fikambanam-behivavy maro an'isa "Fianakaviamben'i Andry Rajoelina" tao Antsiranana nankalaza ny 8 martsa, izay notarihan'ny VPAN Jocelyne Maxime. Efa nofoanan'ny Ben'ny Tanàna tany an-toerana ny fahazoan-dàlana na “autorisation” an'io hetsika io, fa tsy nahasakana azy ireo izany. Raha mampahatsiahy anefa, niaraha-nahita ny famoretana natao tamin’ny vehivavy TIM ny andron’ny alarobia 8 martsa, izay faritra mihidy azo nofehezina tsara no nifanaovan’izy ireo fotoana. Ny tany Antsiranana anefa afaka nanao izay reviny sy maha diavolana ny sainy na efa dia fe-potoana aza. Izay resaka lalàna izany tsy dia mihatra sy manan-kery amin’ny volomboasary. Tena izao ve ilay hoe: Fanjakana tan-dalàna sy fitovian’ny rehetra eo ambany lalàna? Hotezaina amin’ny fampifandrafesana noho mizana tsindrian’ila hatrany olona? Rehefa ny tena no misioka dia voromanga fa rehefa ny hafa dia vorondolo? Asa re mandra-pahoviana ity fanjakazakana sy fanohintohinana ny fahalalahan’ny hafa ity? Izao aza moa dia efa izany no sary miseho mainka fa aoriana kely! Rehefa tonga ny fampielezan-kevitra mety hisy kandida tsy havela hanao propagandy. Tena mihevitra ny tsy ho tratry ny aloka mandrakizay ve ny mpitondra ankehitriny ka zary lasa tandra vadin-koditra ny hetraketraka sy ny tsindrihazolena?
Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap