Ambohibary Moramanga ny fiara kamiao lehibe iray manangona sy mitatitra hazo alà tasy ara-dalana miisa 421, araka ny seraseran’ny Minisiteran’ny tontolo iainana. Olona miisa 2 no voasambotra niaraka tamin'ireto hazo ireto, ny tompon'ny hazo sy ny mpamily ilay fiara. Natolotra ny fitsarana izy ireo taorian'ny fanadihadiana ary naiditra am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana azy. Nogiazana kosa ny hazo sy ny fiara. « Ampatsiahivina hatrany isika fa ilana fahazoan-dalana avy amin'ny Ministeran'ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ny fitrandrahana ny vokatra avy alà. Asaina arak'izany ny tsirairay hanaraka ny lalàna sy ny fepetra mifanaraka amin'izany, ary tsy hisalasala hanatona ny Fitaaleavam-paritrty ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (DREDD/DIRED). », hoy ny fanentanana. Midika izao fa mitohy ny fandripahana ala, izay inoana fa tena tambajotra goavana sy manan-katao no ao ambadika. Matoa misy ny fahasahiana goavana tahaka izao dia mahatoky fa manana mpiaro sy mpanavotra, ary ahiana hatrany ny hoe : tsy ny tena atidoha fa ireo irakiraka itony sarona itony na ekena aza ny filazana fa tompony ny iray tamin’ireto roa tratra farany ireto. Mby aiza izao ny tohin’ilay depiote nampiasa anarana andrim-panjakana mihitsy tamin’ny afera fandripahana ala sy fitaomana hazo sarobisy ?
Toky R
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny