etsy amin’ny tribonaly ambaratonga voalohany etsy Anosy amin’izao fotoana izao. Tsy hataotao foana anefa izany fa misy antony matotra mihitsy vao eken’ny lalana raha araka ny fanazavan’ny Maitre Sandratra Rakotobe avy amin’ny WOLAW Magadacar. Raha ny nambarany dia ny lalàna laharana 2007 / 022 tamin’ny 20 Aogositra taona 2007 no misahana momba ny fanambadiana sy fisaraham-panambadiana ary ny fananan’ny mpivady (divorce pour faute). Misy ireo adidy ateraky ny fanambadiana, ka rehefa tsy manaraka iro adidy ireo ny andaniny na any ankilany dia omen’ny lalàna hanao fisaraham-panambadiana. Anisan’ireny ny vono, ny herisetra ara-batana na ara-bola, ny herisetra ara-psikolojika toy ny teny mahery, ny teny ratsy tsy misy fanajana.. Tsy rehefa miady indray mandeha anefa hoy izy dia omen’ny fitsarana alalana afaka misaraka fa mila manana porofo azo antoka tsara. Tafiditra ao anatin’izany ny fampirafesana ary ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ihany no didian’ny lalana afaka mivady. Tsiahivina moa fa ankoatra ny fanambadiana aloha loatra dia anisan’ny antony manosika ny lehilahy na vehivavy iray hangataka fisaraham-panambadiana ny fampirafesana, ny olana ara-bola, ny tsy fahamatoran’ny fifankatiavana….Tsy mandeha ho azy moa fa misy vola omanina ny fangatahana fisaraham-panambadiana ka tsy misy ohatra ny fifampihainoana sy ny fifampiresahana ary ny fandeferana ihany no tena vahaolana hoy hatrany ity mpahay lalana iray ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Mila fandavan-tena ny fidirana ao anatin’ny fanambadiana !
fanakorontanana sy tranga misesy fa efa vita kajy !
Ny servisy momba ny fitaovam-piadiana no tena lasibatra
Mariky ny fitiavana olona iray ny fanolorana