airtel

Actualités

16-mai-2025

FANINA TAMPOKA TEO AM-PAKANA RANO

Vehivavy latsaka tao an-davadrano namoy ny ainy

Sample post image

Aretina lasa mpahazo ny ankamaroan’ny olona ny fanimpanina amin’izao.

16-mai-2025

Mety ho vokatry ny fiakaran’ny tosi-dra izy io hoy ny mpitsabo nefa ho avy amin’ny fahatairana na adin-tsaina diso tafahoatra ihany koa. Renim-pianakaviana iray monina eny Fitroafana Talatamaty no fantatra fa latsaka tampoka tao anaty lava-drano rehefa nisinton-drano iny afak’omaly Alarobia 14 May. Fantatra fa fanina tampoka izy ka tsy nisy nifaharana.Voatery niantsoana mpamonjy voina ny fianakaviany nampakatra azy. Raha ny tatitra avy amin'ireo mpamonjy voina anefa dia efa vatana mangatsiaka tsy nisy aina intsony no hitan’izy ireo tao. 15 mn ny faharetan’ny fikarohana nataony vao tafakatra ny razana. Ankoatra ny olana ara-pahasalamana moa dia tokony hitandrina ny rehetra amin’ny fampiasana lava-drano tahaka izao, indrindra fa ny lava-drano tsy dia manara-penitra loatra. Tokony arovana mafy amin’izy ireny ihany koa ny ankizy madinika.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fotoana nampiakarana ilay Renim-pianakaviana !
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap