airtel

Actualités

16-mai-2025

FANINA TAMPOKA TEO AM-PAKANA RANO

Vehivavy latsaka tao an-davadrano namoy ny ainy

Sample post image

Aretina lasa mpahazo ny ankamaroan’ny olona ny fanimpanina amin’izao.

16-mai-2025

Mety ho vokatry ny fiakaran’ny tosi-dra izy io hoy ny mpitsabo nefa ho avy amin’ny fahatairana na adin-tsaina diso tafahoatra ihany koa. Renim-pianakaviana iray monina eny Fitroafana Talatamaty no fantatra fa latsaka tampoka tao anaty lava-drano rehefa nisinton-drano iny afak’omaly Alarobia 14 May. Fantatra fa fanina tampoka izy ka tsy nisy nifaharana.Voatery niantsoana mpamonjy voina ny fianakaviany nampakatra azy. Raha ny tatitra avy amin'ireo mpamonjy voina anefa dia efa vatana mangatsiaka tsy nisy aina intsony no hitan’izy ireo tao. 15 mn ny faharetan’ny fikarohana nataony vao tafakatra ny razana. Ankoatra ny olana ara-pahasalamana moa dia tokony hitandrina ny rehetra amin’ny fampiasana lava-drano tahaka izao, indrindra fa ny lava-drano tsy dia manara-penitra loatra. Tokony arovana mafy amin’izy ireny ihany koa ny ankizy madinika.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fotoana nampiakarana ilay Renim-pianakaviana !
 

Dans la même rubrique

02-juil-2025

Roa andro aty aorian’ny dinika iombonana momba ireo Nosy Malagasy natao tany Frantsa

Card image cap
02-juil-2025

Nankalazaina omaly teny amin’ny Masoivoho Amerikana eto Antananarivo ny

Card image cap
02-juil-2025

Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny orinasa Jirama. Nanao fivoriambe izy ireo omaly 01 jolay 2025,

Card image cap
02-juil-2025

Misy toe-javatra hafahafa mikasika ny famatsiana solika eto Madagasikara.

Card image cap
02-juil-2025

Vondronosy kely miisa 5 manodidina an’i Madagasikara ireo nantsoina talohan’ny taona 1979 hoe

Card image cap
02-juil-2025

Miatrika atrikasa mendrika fiofanana ireo mpampianatra eo anivon'ny Akanin'ny Marenina 67ha.

Card image cap