tsy voaravina ny hoe Rajoelina anie ka tsy malagasy akory nefa dia neken'ny fitsarana avo miaro azy ny filatsahan-kofidiany, hoy ny mpahailalàna, Fanirisoa Ernaivo! Dikan'izay dia ekentsika ho lasa «Jurisprudence» na tranga tsy voafaritry ny lalàna ve io tsy malagasy fa afaka milatsaka, hoy izy? Faharoa, ny depiote dia tsy manao lalana fa manao lalàna ary lalàna manatsara ny fiainan'ny malagasy rehetra fa tsy hoe ny toerana nihaviany ihany. Depioten’i Madagasikara fa tsy depioten’ny boriboritany faha 5. Ny lalàna no dinihina ary apetraka sy hajaina ary mila mahay mamakafaka hoe inona no tanjona sy vokatra azo amin'ilay lalana? Ny lalàna anisany tena hiasan'ny depiote dia ny LFI na lalàna mifehy ny teti-bola fa mba hain'ireto depiote ve ny mamaky azy? Marihina fa misy pejy aman’arivony ary mila jerena sy mila hay hoe inona no dikany? Mba atsangano ny tanan'ireo depiote efa namaky LFI/LFR hatramin’ny voalohany ka hatramin farany na nandinika an’io? Mihinana am-bolony sy mananga-tanana araka ny «consignes de vote» na baiko azo hofidiana fotsiny, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny