airtel

Actualités

28-janv-2025

Fanitsakitsahana ny zon’olombelona

Anisan’ny Firenena 14 hadihadiana any Genève i Madagasikara

Sample post image

Tafiditra amin’ireo Firenena 14 hanaovana fanadihadiana mikasika ny fanitsakitsahana ny

28-janv-2025

zon’olombelona mandritra ny EPU (examen périodique universel) faha-48 tanterahany any Genève Suisse omaly hatramin’ny 31 janoary i Madagasikara. Karazana fanadinana hahafahana mamantatra hoe aiza ho aiza ny toeran'i Madagasikara amin'ny fampanjakana ny zon'olombelona ? Fotoana ho an’ny Firenena hanaovana tatitra mikasika ny fepetra noraisina mba hanatsarana ny toe-draharaha mikasika ny zon’olombelona. Mitarika ny delegasionina Malagasy any an-toerana ny Minisitry ny Fitsarana Atoa Rakotomandimby Benjamin Alexis, miaraka amin' ny minisitry ny filaminam-bahoaka, ahitana solombavambahoaka, loholona, ny avy ao amin'ny fiadidianana ny Repoblika ary ny solontenan'ireo departementa voakasiky ny fiarovana ny zon'olombelona. Anisan’ny noresahan’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka Contrôleur général de police Herilala Rakotoarimanana ireo tranga mampivarahontsana manamaloka ny fandriampahalemana sy ny fidirana an-tsehatry ny mpitandro ny filaminana amin’ny fampiasana fitaovam-piadiana : vehivavy 4 nalaina an-keriny sy novoina tamin’ny fomba feno habibiana, ny tsy fandriampahalemana maharitra an-tanàn-dehibe noho ny jiolahy mirongo fiadiana, ny jiolahy mahavita mihantsy ny mpitandro filaminana sy mamono ankitsirano, ny fanafihana misy fandoroana tanàna sy fahafatesana olona, ny fakana an-keriny ankizy miampy fanolanana,… Nambara fa voafehy ary tao anatin’ny ara-dalàna ny fampiasana fitaovam-piadiana. Karazan’ny miaiky ny mpitondra fa tsy milamina ny tany ! Raha atao fijery ankampobeny, betsaka ny endrika fanitsakitsahana ny zon’olombelona eto amintsika: toy ny fampidirana am-ponja tsy ara-drariny indrindra fa ny ara-politika, tsy fahalalahana ara-politika, ny famonoana olona tsy misy fitsarana, ny tsy fanomezana jiro sy rano araka ny tokony ho izy ny vahoaka,… Mety misy fiantraikany amin’ny fanapahan-kevitra mikasika ny Firenena, toy ny famatsiam-bola, fampiasam-bola,… satria isan’ny mason-tsivana mety jeren’ireo mpiara-miombon’antoka izany. Raha ny filaharana farany navoakan’ny World Justice Project 2024, dia mitana ny laharana faha-112 amin’ny Firenena 142 i Madagasikara amin’ny resaka fampanjakana ny tany tan-dalàna, raha ny filaharana farany ny taona 2024, izay midika fa tena ratsy toerana. Andrasana indray ny filaharan’i Madagasikara mikasika ny zon’olombelona sy ny Fanjakana tan-dalàna aorian’ity fanadihadiana ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

fanakorontanana sy tranga misesy fa efa vita kajy !

Card image cap
10-févr-2026

Ny servisy momba ny fitaovam-piadiana no tena lasibatra

Card image cap
10-févr-2026

Novonoin’ny olona tamin’ny 51 taona lasa»

Card image cap
10-févr-2026

Hamakivaky an’Atsinanana, Alaotra, Analamanga,…,

Card image cap
10-févr-2026

ny fanaraha-maso ny Fanjakana

Card image cap
10-févr-2026

Mariky ny fitiavana olona iray ny fanolorana

Card image cap