airtel

Actualités

19-juin-2024

Fanitsakitsahana tokantrano

Nigadra ilay lehilahy sy ny vadikeliny

Sample post image

Mpivady ara-dalàna, ara-panjakana i J. (lehilahy) sy R. (vehivavy),

19-juin-2024

hoy ny fampitam-baovaon’ny CIRGN Antananarivo omaly. Niteraka 5 mianadahy izy ireo, hoy ny fanazavana. 5 taona lasa izay. Niala ny tokantranony i J. ary nanorina tokantrano vao tamin'ny vehivavy hafa. Niteraka 2 mianadahy. Tsy niraharaha ireo zanany 5 mihitsy i J. nandritr'izay nialany ny tokantranony izay. Zanany misoratra aminy izay mbola mianatra. Nitory teny amin'ny vadintany i R. ary ny vadintany no nandefa taratasy tamin'ny zandary PA Andranomanelatra mba hanampy azy arak'asa amin'ny fanaporofoana ny fijangajangana ataon'i J. Nidina teny amin'ny fonenany tao Androvakely/Antsirabe ny vadintany notronin'ny zandary roalahy. Tratra teo am-pisakafoanana atoandro i J. sy ny vadikeliny ary ireo zanany roa. Araka ny toromariky ny fitsarana, rehefa vita ny famotorana natao azy roa dia nalefa nody ilay renim-pianakaviana fa i J. kosa notanana tao amin'ny zandary. Natolotra ny fampanoavana ny 17 jona 2024 teo izy roa ka samy notanana am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy, raha ny fampitam-baovao voaray omaly hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap