minisiteran’ny fampianarana ambony na SENDUPRES no nampahafantatra tamin’ny fampahalalam-baovao fa hanao grevy, hoy ny Valaben’ny sendikan’ny mpiasa malagasy na SSM tetsy amin’ny biraony tetsy Ankadifotsy omaly, no nampahafantatra fa hanao grevy. Natao, hoy ny filohan’ny SSM, Herizo Andrianavalona, ny dingana ara-dalàna rehetra tahaka ny fangatahana 48 ora mialoha any amin’ny manampahefana isan-tsokajina. Voasoratra ao anatin’ny andininy faha 31, 32, 33 ao amin’ny lalampanorenana ny zon’ny mpiasa mikasika ny fahafahana manao grevy. Ao amin’ny andininy faha 11 amin’ny sata mifehy ny mpiasam-panjakana koa izay fahafahana manao grevy izay. Akory ny hatairana nony tonga ny alatsinainy raha nigrevy am-pilaminana izany SENDIPERS izany. Rehefa tapitra izany ka hody dia nosamborin’ny EMMOREG ny mpitarika ary nisy fikasihan-tanana aza. Rehefa nampanantsoina ry zareo dia hoe nanao hetsika tsy ara-dalàna sy manohintohina ny filaminan’ny hafa. Hatramin’ny oviana no nisy grevy tsy anohintohina ny hafa? Nolazaina fa tsy ara-dalàna ilay grevy nefa tanaty toeram-piasan’ireo sendika ary araka ny efa voalaza teo hoe napetraka daholo ny dingana ara-dalàna rehetra. Miantso ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, ny lehiben’ny andrim-panjakana, ny filoham-pirenena koa satria izy no nametraka ny minisitry ny fampianarana ambony izay ahitanay fa misy fanaparam-pahefana. Miantso koa ny lehiben’ny zandarimaria, izay mitazona an-drizareo ao Fiadanana amin’izao ora sy fotoana izao. Ara-dalàna ny grevin’ireo. Matoa migrevy dia nitsahatra tamin’ny asa. Tsy nisy noterena. Rehefa nitory ny fanjakana dia ny DLC irery izay solontenan’ny primatiora irery ihany no afaka nitory. Tsy tokony ho azo noraisina izany ny fitorian’ny minisiteran’ny fampianarana ambony. 10 volana no efa nifampiresahan-drizareo an’io. Ny septambra 2022 tany no efa nisy izay grevy izay raha tadidintsika. Isaorana ny depiote Raholdina nanao «intervention» na fanampiana tamin’ny fotoan’androny rehefa nahita fa tsy ara-drariny ary tsy ara-dalàna ny fitazomana ireo namanay ireo dia niravina ilay izy. Miverina indray izy izany izao satria nanaraka ny antanan-tohatra rehetra ireo namanay ireo nefa izao no anaovana azy. Ho alefanay any amin’ny rafitra iraisampirenena momba ny asa sy ny birao iraisampirenena dia ny OIT sy BIT izao tatitra izao fa manitsakitsaka ny zo ara-tsendikaly ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa na MENSUPRES, hoy hatrany ny SSM.
J. Mirija
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,