niaraka tamin’ny Vondron’ny Orinasa Afaka Haba sy Mpiara-miombon’antoka (GEFP). Io orinasa io izay anisan’ny manamboatra fanamiana ho an’ny miaramila, ho an’ny mpamono afo, ary ho an’ny fiarovana hafa, ka anisan’ny amboarin’izy ireo ny an’ny tafika Frantsay. Nivoitra, fa nihamafy hatrany ny fifaninanana eo amin’ny tsenam-barotra iraisam-pirenena amin’ny fanamboarana fanamiana miaramila frantsay. Nampahatsiahy ny Minisitra misahana ny Indostria fa ilaina hatrany ny fanajana ny kalitaon’ny vokatra. Ho setrin’izany dia nanamafy ny Tale Jeneralin’ny orinasa, Lahsen MOUZOUNI, fa miavaka amin’ny kalitao sy ny fanaterana ara-potoana ny vokatra vokarin’izy ireo mba hahazoan’ny mpanjifa tombontsoa feno. Nohamafisiny fa manaja tanteraka ny lalàna Malagasy ny orinasa, indrindra amin’ny lafiny sosialy. Nolaviny tanteraka ihany koa ny filazana fa mampiasa zaza tsy ampy taona ny orinasa, satria manodidina ny 21 ka hatramin’ny 40 taona ny salan-taonan’ny mpiasa ao aminy. Taorian’ny fitsidihana ireo sampan-draharaha ao amin’ny orinasa dia nankahery sy nanohana ny mpitantana ny minisitra, ka nanamafy izy ireo fa vonona hiady amin’ny fifaninanana ara-barotra iraisam-pirenena amin’ny sehatry ny fanamboarana fanamiana. Marihina fa 40% amin’ny latsakemboka ho an’ny CNaPS dia avy amin’ny orinasa misehatra amin’ny lamba. Manana mpiasa manodidina ny 2 400 ny Orinasa Paul Boyé eto Madagasikara.
Toky R