airtel

Actualités

12-févr-2026

FANJIFAN'NY MALAGASY FIARA VAOVAO

Hiara-kiasa ny banky Sipem sy ny Toyota Rasseta

Sample post image

Mbola tena ambany ny tahan'ny

12-févr-2026

fanjifan'ny orinasa Malagasy sy ny tokantrano Malagasy ireo fiara vaovao eto amintsika. Manodidina ny 300 isa monja isan-taona mantsy izany raha mihoatra lavitra noho izany kosa ny fividianana ireo fiara occasion raha araka ny fanazavan-dRasolomanana Fidy Herizo, tale jeneraly lefitra eo anivon'ny orinasa mpamokatra fiara Toyota Rasseta. Mba hahafahana mampiakatra io isa io sy hampiroboroboana ny toe-karem-pirenena dia hiara-kiasa akaiky manomboka izao ny banky Sipem sy ny Toyota Rasseta. Azon'ny orinasa Malagasy na tokantrano Malagasy hatao tsara manomboka izao ny manao fihindramam-bola amin'ity banky iray ity mba hividianana fiara vaovao ao amin'ny Toyota Rasseta. 12 ka hatramin'ny 60 volana ny fahafahana mandoa io vola hindramina io raha araka ny fanazavan-dRandriantsimiamona Lanja, tale jeneraly lefitra eo anivon'ity banky iray ity. Afaka manao izany avokoa rehefa olona ampy taona ka miasa ary mandray karama ara-dalana isam-bolana na koa mañana asa fitadiavam-bola hafa. Nisantarina tamin'ny sonia fifanekem-piara-miasa nataon'ny roa tonta izany omaly. Fantatra moa fa ankoatra ireo fiara madinika dia efa mañana ireo karazana fiara tsy mataho-dalana ihany koa ny Toyota Rasseta amin'izao.
Pati
Légende : Nandritra ny Sonia fifanekem-piaraha-miasa notanterahin'izy ireo omaly !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap