Raha ny volana Novambra mialohan’ny fetin’ny Krismasy dia efa tsy maharaka intsony ireo mpivarotra noho ny hamaroan’ny mpiantsena dia mifanohitra amin’izay tanteraka amin’izao ankatoky ny faran’ny taona sy ny taom-baovao izao. Ireo olona tonga manontany no betsaka. Na mividy aza hoy ny mpivarotra iray dia mahavita miady varotra hatrany amin’ny antsasany mihitsy nefa mbola amin’ireo karazany somary mirary ihany koa ny vidiny. Midoika izany hoy ny mpivarotra iray fa sahirana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Izay ahitana ny hanin-ko hanina isan’andro sisa no tena imasoany fa ny ankoatra izay tsy misy intsony. Ankoatra ireo mpivarotra zava-maneno moa dia mitaraina ho tsy misy tsena intsony ihany koa ireo mpivarotra fanaka eto an-drenivohitra.
Pati
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny