airtel

Actualités

27-mai-2025

Actualités

FANJIFAN’NY MALAGASY ATODY Tsy misy afa-tsy 20 isa isan’olona isan-taona

Sample post image

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

27-mai-2025

Ho an’ny atody manokana dia tsy misy afa-tsy 20 isa isan’olona isan-taona izany raha araka ny fanadihadiana natao nefa tokony hihinana atody iray isan’andro ny olona iray raha araka ny fenitra napetraky ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana na ny OMS. Mbola tsy mihinana afa-tsy akoho 2 kg isan’olona isan-taona ihany koa ny Malagasy raha efa mahatratra 40 Kg isan-taona isan’olona izany atsy amin’ny Nosy rahavavy Maorisy. Anisan’ny antony nanetsika sy namporisika ny LFL Madagascar hamokatra sakafom-biby sy zanak’akoho vaovaobe izany izay antsoina hoe : Kombo. Hahazoana atody 150 ka 180 isa mantsy ny akoho vavy iray amin’izy io rehefa lehibe raha mahatratra 2,2 kg kosa ny akoholahy iray ao anatin’ny 10 herinandro. Ny mba hahafahana mampitombo ny tahan’ny fihinanan’ny Malagasy atody sy akoho no tanjona na dia sarotra aza ny fiainana. Natao ho zakan’ny fahefa-mividin’ny rehetra mantsy ny vidin’ny akoho raha araka ny fanazavan-dRandriatinarivo Mirindra, mpandrindra ny resaka ara-barotra eo anivon’ny LFL Madagascar. Ao anatin’ilay tsenabe Fivoarana andiany faharoa hatao eny Imerintsiatosika moa no ahitana io zanak’akoho vaovao antsoina hoe : Kombo io.
Pati
Legende : Mirindra Randriatinarivo, mpandrindra ny resaka ara-barotra eo anivon’ny Farmshop, LFL Madagascar !
 

Dans la même rubrique

25-juin-2025

Niakatra Fitsarana omaly ny raharaha iray anenjehana an’i Fernand Cello,

Card image cap
25-juin-2025

Nifarana omaly tetsy amin’ny Novotel Alarobia ny atrikasa nandinihan’ny teo anivon’ireo

Card image cap
25-juin-2025

Triatra ny fo, hoy ny renim-pianakaviana iray, mahita ireto mpiray tanindrazana mifandimby

Card image cap
25-juin-2025

Niamboho omaly ny Me Lala Ratsirahonana, Mediatioran’ny Repoblika. Mpisolovava,

Card image cap
25-juin-2025

Mafy ny mahazo ireo mpivarotra arendrina vita Malagasy.

Card image cap
25-juin-2025

Ny tsy fananan'asa no anisan'ny fototra miteraka ny tsy fandriampahalemana eto amintsika.

Card image cap