airtel

Actualités

08-févr-2022

Actualités

Fanodidina ny fako Nahazo famatsiam-bola Antsirabe sy Talatamaty ary Antehiroka

Sample post image

Kaominina telo eto amintsika no fantatra fa nosafidian’ny Ministeran’ny tontolo iainana hanatanteraka ilay asa fanodinana fako entina hampiroboroboana ny asa fihariana.

08-févr-2022

Ho an’ny Faritra Vakinankaratra dia anisan’ny voafidy ny kaominina Antsirabe I raha lasan’ny kaominina Ambohibao Antehiroka sy Talatamaty kosa ny laharana faharoa sy fahatelo izay samy ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Raha araka ny fanazavan’ny Minisitry ny tontolo iainana Ramatoa Baomiavotse moa dia tetikasa hanampiana ny kaominina hiditra ao anatin’ilay lalan-tsaina toe-karena mifamelona ity tetikasa ity. Ny fako mantsy hoy hatrany izy dia azo haodina hampiroboroboana ny asa fihariana indray fa tsy very maina akory raha hay tsara ny mikarakara azy. Azo havadika ho zezika entina hanampiana ny tantsaha ohatra ny fako…. Ho an’ny kaominina Antehiroka sy Talatamaty manokana dia fantatra fa mitambatra ny toerana fanodinan’izy ireo fako. Mitentina 90.000 dolara araka izany ny fanatsiam-bola azon’ireto kaominina roa ireto raha 8 alina dolara ny an’ny kaominina Antsirabe. Marihina moa fa ny 20%-n’ny mponina eto amintsika dia maty vokatry ny fahalotoan’ny tontolo iainana avokoa. Tanjona kendrena amin’ity tetikasa ity araka izany ny mba hahafahana mitantana ny fako hiarovana ny tontolo iainana amin’ny fiparitahan’ny fako etsy sy eroa.
Pati
Legende : Azo havadika ho vola ny fako raha hay ny mikarakara azy
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap