airtel

Actualités

03-avril-2023

Actualités

Fanohanana ireo mararin’ny homamiadana Namarana tetikasa miisa 2 ny mpianatry ny INSCAE

Sample post image

Notontosaina ny 1 Aprily teo ny famaranana ny tetikasan'ireo mpianatra 6 mianadahy , taona faharoa avy amin'ny « Institut National des Sciences Comptables et de l'Administration d’Entreprises » na INSCAE.

03-avril-2023

Tetikasa amin'ny taranja antsoina hoe "Comportement du Manager" na ny tokony ho fihetsika sy fitondran-tenan’ny atao hoe mpitarika izy ity, hoy ny fanazavana. Miara-miasa amin'ny orinasa izay safidiany ireo mpianatra ao anatin’izy ity. Ny klinika Ivokoloaina, any Ambohimamory Itaosy, izay klinika tsy miankina misehatra amin'ny homamiadana no safidin’ireto mpianatra ireto. Miisa 2 ny tetikasa notanterahana. Ny voalohany dia fanentanana momba ny homamiadana amin'ny alalan'ny velankevitra na "conférence", izay notontosaina tao amin'ny sekoly miisa 3 samihafa toy ny INSCAE, ESSCA, Saint Michel Amparibe ary tao amin'ny “Office National du Tourisme à Madagascar” na ONTM ihany koa. Ny tetikasa faharoa dia ny fanitarana ny Kolomahaolo. Ny Kolomahaolo dia tsy hafa fa sampana ao anatin'ny klinika Ivokoloaina izay entina anohanana ireo marary sy ireo havan'ny marary amin'ny alalan'ny hetsika ara-javakanto toy ny poezia, hosodoko, mozika, resadresaka sy ny fampihetseham-batana toy ny tai chi sy dihy. Tanjona faharoa ny hoe mba tsy hijanona ho an'ireo marary ihany ity Kolomahaolo ity fa mba hisitraka azy koa ireo olona manodidina. Nanatontosa fanadihadiana teo anivon'ny fiarahamonina, noho izany, ireto mpianatra ireto mba ahalalany ny mandrisika sy manintona ny olona. Taorian'izany fanadihadihana izany dia tapaka fa miampy haiady sy fampianarana teny vahiny ny hetsika ao amin'ny Kolomahaolo, hoy hatrany ny fanazavan’izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap