airtel

Actualités

20-mars-2024

Fanoherana ny Base Toliara sy Bas Mangoky

«Nanodidina ny 14.000 no isan’ireo mponina namaly ny antso»

Sample post image

Nanao hetsika hanokafana ny mason’ny fanjakana ifotony sy foibe ny tsy

20-mars-2024

fankasitrahan’izy ireo ny fikasana hanokatra ny orinasa Base Toliara ao amin’ny distrikan’i Toliara II omaly ireo mponina ao an-toerana notarihin’ny filoha lefitry ny FIMA na Fikambanana Masikoro Arivolahy eto Antananarivo, Elia Rabevahiny. Nisy ny fanambarana ny tsy fahafalian’ireo mponina ao Morombe sy Tanandava ary Ambahikily izay voakasik’ity tetikasa ity, hoy ny fanazavany. Natambatra ny herin’ny distrikan’i Morombe, Toliara I, Toliara II satria ireo no voakasiky ny tetikasa Base Toliara. Niodidina ny 14.000 no isan’ireo mponina namaly ny antso. Nisy koa ny fanaterana taratasy tao amin’ny kaominin’Ankilimalinika nilazana tamin’ny ben’ny tanàna fa tokony zavatra marina no ambarany. Mihazakazaka ankehitriny ny fitondram-panjakana hanao io tetikasa Base Toliara io. Izahay koa miezaka mampiseho hoe ireto ireo mponina fa tsy manaiky io tetikasa io. Sahala amin’izay koa ireo mponina voakasiky ny tetikasa Bas Mangoky. Raha fehezina dia eo ny tsy fahafaliana amin’ny fikirizana hanokatra indray ny tetikasa Base Toliara sy Bas Mangoky fa eo koa ny tsy fahafaliana amin’ny fitsinjarana tsy ara-drariny ireo tanin’ny mponina. Tsy hihemotra hatramin’ny farany izahay, hoy hatrany i Elia Rabevahiny.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap