airtel

Actualités

08-mai-2024

Fanohintohinana ny vady aman-janaky ny Filoha

Hohenjehina ireo mampiasa izany hisolokiana vola

Sample post image

Nahazo vahana tato ho ato ireo olona na andian'olona mampiasa kaonty sandoka (compte fake)

08-mai-2024

amin'ny anaran-dRamatoa Mialy Rajoelina, Vadin'ny filoham-pirenena sy amin'ny anaran'ireo zanany mba hakàna vola tsy ara-drariny aman'olon-tsotra. Tsy hipetra-potsiny intsony ny zandarimariam-pirenena manoloana izany raha araka ny fanambarana nataon’izy ireo omaly. Nanamafy izy ireo fa voararan’ny lalana sy mahavoasazy ny manao kaonty sandoka amin'ny anaran'olon-kafa, hikatsahana tombotsoa ara-bola, hanaparitahana vaovao tsy marina, indrindra hamoahana sarin'olona tsy nahazoana alalana, araky ny andinin-dalàna maro voarakitra ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana (Code pénal) sy ny fehezan-dalàna mikasika ny serasera (Loi nr 2020-006 du 01 septembre 2020 portant code de la communication médiatisée) ary ny lalàna iadiana amin'ny heloka an'habaka (Loi nr 2014-006 du 19 juillet 2014 sur la lutte contre la cybercriminalité). Miantso ny fahendren'ny mpiray tanindrazana ny Zandarimariam-pirenena noho izany ny rehetra mba handala ny soatoavina Malagasy izay manaja ny zokiolona, ny Ray aman-dreny , ny tompon'andraikitra rehetra izay mitondra ity firenena ity. Ary mba manao ahoana rehefa ny olon-tsotra no lasibatra amin’ny endriny maro na fisandohana io na fanalam-baraka toy ny ara-politika ?
Pati
Legende : Tahaka izao ireo karazana kaonty sandoka hampiasain’ny sasany !

 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?

Card image cap
07-févr-2025

Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola

Card image cap
07-févr-2025

Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga

Card image cap
07-févr-2025

Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena

Card image cap
06-févr-2025

Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa

Card image cap
06-févr-2025

Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,

Card image cap