airtel

Actualités

12-janv-2024

Fanolanan-jaza nandritra ny 2023

Nahatratra 515 isa ny nandalo Fampa noavana

Sample post image

Nahatratra 515 isa be izao ireo trangana fanolanan-jaza niseho teto amintsika

12-janv-2024

ary tonga teo anivon’ny fampanoavana Anosy tamin’ny taona 2023 lasa teo. Tena nitombo izaitsizy io isa io raha oharina tamin’ny taona 2022. Na izany aza vao manomboka ihany koa ity taona 2024 izany hoe : hatramin’ny datin’ny omaly Alakamisy 11 Jona dia miisa 18 ireo tranga hita sy niseho ka miisa 2 ireo mpanolana mbola tsy ampy taona nandray anjara tamin’izany, raha araka ny loharanom-baovao azo. 17 taona ny iray izay nanolana zaza 9 taona raha 14 taona kosa ny iray nanolana zaza 5 taona. Efa samy nalefa any amin'ny mpitsara ny zaza tsy ampy taona avokoa ireo raharaha rehetra ireo ka marobe ireo efa mizaka ny saziny eny am-ponja. Ankoatra ny fanaovan’ny vehivavy na ankizivavy kely fitafiana manintona na manaitaitra moa dia anisan’ny mampirongatra ny fanolanana ny fijeren’ny lehilahy horonan-tsary mamoafady arahin’ny fandraisana zava-mahadomelina raha araka ny fanazavan’ny psikology iray. Ho an’ireo zazalahy kely mbola tsy ampy taona kosa dia misy amin’izy ireny no mahita ny hataon-dRay aman-dReniny ao an-tokantranony ao na ny namany hany ka tsy mahafehy tena intsony. Tokony hotandreman’ny rehetra araka izany ny fametrahana ny ankizivavy kely amin’ny olom-pantatra na koa ny fivoahana alina tsy misy mpanaraka, tranga izay tena hararaotin’ny mpanolana tokoa no sady hanalany ny ain’ilay olona mihitsy.
Pati Legende : Ankizivavy kely ny ankamaroan’ireo voaolana !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap