tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Actualités

Fanolanana sy famonoana any Fleuryce Teratany Espagnol iray sy Malagasy telo any am-ponja

Tranga nampivarahontsana ny faran’ny herinandro ny fahafatesan’ny tovolahikely iray vao 7 taona antsoina hoe Fleuryce,

10-nov-2022

Sample post image

izay ny vantana mangatsiakny sisa hita faty tao anaty “piscine” tao amin’ny Hotely Laguna Beach Morondava. Ny 06 novambra teo no nisehoan’ny tranga satria tsy hita tokony ho tamin’ny 2ora tolakandro ity tovolahikely ity, ary efa vatana mangatsiaka sisa hita tany ho any amin’ny tamin’ny 5 ora hariva. Rehefa nanao ny fanadihadiana ny Polisy tany an-toerana dia fantatra fa nisy nanimba ity zazalahikely ity, izany hoe: naolana, ary nalefa tany anatin'ilay dobo filomasana ny fatiny hoentina hilazana fa nilentika ho azy tao izy. Rehefa nitohy ny fanadihadiana nataon'ny Polisy dia fantatra fa vazaha iray 70 taona teratany "espagnol" mpizahatany no voalaza fa hita farany tamin’ny “camera de surveillance” niaraka tamin'ilay tovolahikely nilalao tao anaty piscine ary samy tsy hita ny nalehan'izy ireo avy eo. Niray tsikombakomba tamin'ity vahiny ity ihany koa ny vehivavy tompona hotely sy ilay mpiambina ilay dobo filomanosana ary ny tovolahy iray hafa izay fantatra fa samy nanafina ny fatin'ilay zazalahy kely, hoy ny tatitry ny manam-pahefana. Nosamborina avy hatrany izy 04 ireto ary rehefa natolotra ny fampanoavana dia niditra am-ponja vonjimaika ao amin'ny fonjan'i Morondava. Nisy ihany koa aza moa ny resaka nandeha fa maty ny fitaovana fanaraha-maso na “camera de surveillance” tao amin’io Hotely io nandritra ny fotoana nisian’ny toe-javatra mamoafady, tonga hatramin’ny fifofoana ain’olona. Maro ny naneho ny alahelony sy fahasosorany tamin’ity raharaha ity, na ny mponina any Morondava na ny vahoaka samihafa mpanara-baovao. Ho an’ny tany an-toerana, vahoaka maro mihitsy no nirohotra teny anoloan’ny Fitsarana ny talata teo tolakandro, nanaraka akaiky ny raharaha.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Volamena 36kg very tao amin’ny minisitera Mpiasa 2 natao sorona, ny tambajotra tsy voakitika
02-juin-2023

Olona miisa roa no nohelolina 7 taona gadra an-tranomaizina sy asa an-terivozona miampy lamandy 10 miliara Ar avy

Card image cap
Fanefana trosabe amin’ny Tozzi Green Hampindram-bola ny Jirama ny Fanjakana
01-juin-2023

Noraisin'ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 31 mey 2023 ny didim-panjakana entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola eo amin'ny Minisiteran'ny sy ny Fitantanam-bola sy ny orinasa JIRAMA

Card image cap
Fanaovana taratasin-tany hosoka MD eny Antanimora i bebe sy ny ekipany
01-juin-2023

Tsy hanavahana sokajin-taona marina ny fitiavam-bola. Tsy hitsitsian’ny sasany aina sy voninahitra izany na

Card image cap
Sampana fanantenana Nampahafantatra ny voka-dratsy ateraky ny fifohana sigara
01-juin-2023

Ny aretin’ny homamiadana no voka-dratsy voalohany ateraky ny fifohana sigara eny anivon’ny fiaraha-monina na ho an’ny tanora izany na ho an’ny olon-dehibe.

Voir plus