airtel

Actualités

26-avril-2024

Actualités

FANOLANANA TAO AMPARAFARAVOLA Ny zaodahin-dReniny ihany no nanimba ilay zaza

Sample post image

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

26-avril-2024

SODECA ny 24 Aprily lasa teo tokony ho amin'ny 05 ora maraina ihany ilay lehilahy iray nanolana zazavavy kely 15 taona tany an-toerana. Raha araka ny fantatra dia zaodahin'ny renin'ilay zazavavy ihany ity nanolana azy ity. Mifanakaiky trano izy ireo ka hadaladalain'ity lehilahy ity hatrany ratovovavy. Matory miaraka amin'ny zandriny vavy ao an-dakozia ity tovovavy ity ka alain'ilay lehilahy ao amin'ny alina. Fantatra fa noentin'ity lehilahy ity tao an-tranony ilay zaza nandritra izany ary anamparany ny filàny izay tsy indray mandeha ihany fa efa nanomboka tamin’ny volana Janoary teo. Rahonany ho faty sy hovonoina ilay voaolana rehefa mitady hanohitra azy. Nihorakoraka nitomany ny zandrin'ilay niharam-boina indray alina rehefa tsy nahita ilay zokiny teo am-pandriana ka rehefa tonga ny tamin'ny 01ora maraina dia naterin'ilay lehilahy tao an-tranony ilay voaolana. Tonga nitoroka izany tranga izany ny fianakaviany, ary rehefa natao tokoa ny fizahan'ny dokotera dia efa niharan'ny fanararaotana ara-nofo matetika izy. Natolotra ny fampanoavana omaly Alakamisy 25 Aprily moa ity mpanolana ity ka efa naiditra am-ponja vonjimaika. Tsiahivina fa nahatratra 302 ireo ankizy tratran’ny fanolanana ka nandalo teo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy ny raharaha tato anatin’ny telo volana izao.
Pati
Legende : Noheverina mba ho Ray ilay ranamana ity kinanjo nivadika !
 

Dans la même rubrique

16-janv-2025

Goavana ny fanarenana miandry, raha ny toekarem-pirenena eto Madagasikara no asiana resaka.

Card image cap
16-janv-2025

Nipoitra indray ny Kolonely Charles Andrianasoavina izay isan’ny nanamarika ny tantara tamin’ny 2009

Card image cap
16-janv-2025

Nanomboka ny alatsinainy 13 ka nifarana ny alarobia 15 janoary 2025 tao amin’ny trano fivorian’ny Minisiteran’ny

Card image cap
16-janv-2025

Efa nahazatra ireo mpikirakira fifandraisan-davitra toy ny amin’ny alalan’ny finday hatramin’izay

Card image cap
16-janv-2025

Hita ho tena sahirana ny vahoaka malagasy, raha ny mikasika ny sosialim-bahoaka tamin’iny taona 2024 iny,

Card image cap
16-janv-2025

Niato sahady indray ny rotsak’orana izay neverina hifampitohy tao anatin’ny 3 andro,

Card image cap