Tovovavy kely iray vao 11 taona monja indray mantsy no fantatra fa naolana lehilahy miisa 2, teny Androndrakely Saropody, tamin’ny alahady 30 oktobra teo. Ankoatra ny fivaviany izay lasibatr’ireo mpanolana hatrany amin’ny ankapobeny dia fantatra fa naolan’ireo tsy mataho-tody ihany koa ny lavaka fivoahan’ny malotony. Tsy nijanona teo izany fa tonga hatrany am-bavan’ity zazavavy kely ity ka nampitondra takaitra maharary azy. Raha araka ny fanazavan’ilay tsy manan-tsiny dia ny iray nanampina ny vavany hatrany nandritra izany raha nanararaotra nanao ny filan-dratsiny ny iray. Noho ny fahasahiranan’ireo Ray aman-dReniny anefa dia tamin’ity herinandro ity izy ireo vao afaka nametraka fitoriana. Tsy maintsy mila vola 60.000 Ar mantsy izy ireo hahafahana maka ireo nahiana ho nanolana nalaina am-bavany teny amin’ny polisy.
NIKAKA RA SY NANDOA
Raha araka ny fanazavana hatrany dia nandoa sy nikaka ra ity zaza ity ny 31 Oktobra, antony nahafantarana ny tena nanjo azy. Nandeha tany amin’ny dadabeny kosa no anton-diany teny Saropody. Natahotra ny ho bedy anefa izy tamin’io andro nanolanana azy io ka tsy sahy nitaraina tamin’ireo Ray aman-dReniny. Tao amin’ny CSB II Tanjombato ity zaza ity no nentina voalohany. Rehefa nahita ny fahasimbany tanteraka anefa ireo mpitsabo tao dia avy hatrany dia nandefa azy teny amin’ny Centre Vonjy Befelatanana. Raha araka ny fantatra moa dia mandrahona fatratra ny fianakavian’ity zazavavy kely ity ireo olona ahiahiana amin’izao fotoana izao koa hanaovan’izy ireo antso avo amin’ny fitondram-panjakana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovovavy kely miaraka amin-dReniny
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,