airtel

Actualités

25-janv-2024

Fanolanana zaza 6 taona

Lehilahy 35 taona nidoboka am-ponja

Sample post image

Niatrika fampanoavana tao Miarinarivo, omaly, ny lehilahy iray 35 taona,

25-janv-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Enjehina ho nanolana zazavavy kely 6 taona tao amin'ny fokontany Ampefindradama, kaominin'Ampefy, distrikan'i Soavinandriana, faritr'Itasy, izy. Nampidirina am-ponja vonjimaika izy ary any Tsiafahy avy hatrany. Izy moa nandà fa tsy nanolana. Ny fizahan'ny dokotera kosa dia manamarina fa tsy virijiny intsony ilay zaza ary misy tsiranoka mivoaka. Taitra ny renin'io zaza io raha nanasa sy nahita tsiranoka mavomavo tamin'ny silipon-janany ny 15 janoary. Nitaraina ho narary ilay zaza ary notsaboina tamin'ny fanafody netim-paharazana teny. Ny 20 janoary anefa mbola nisy tsiranoka nivoaka ihany tamin'ny mahavehivavy azy sady namofona maimbo. Teo vao fantatra rehefa nitantara ilay zaza fa nanaovan'ilay lehilahy ny filan-dratsiny ary notambazany 500 ariary mba tsy hiteniteny na amin'iza na amin'iza. Nosamborin'ny polisy avy ao amin'ny kaomisaria Soavinandriana ilay ahiana ho tompon'antoka ny talata teo. Olona tsy an'asa izy io ary mpiara-monina amin'ilay zaza ihany. Izy nilaza fa tsy nanolana fa nanasa ilay zaza tany an-doharano no nataony ary vola 500 ariary hividianana "chips" no nomeny azy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. J. Mirija

 

 

 

Dans la même rubrique

16-janv-2025

Goavana ny fanarenana miandry, raha ny toekarem-pirenena eto Madagasikara no asiana resaka.

Card image cap
16-janv-2025

Nipoitra indray ny Kolonely Charles Andrianasoavina izay isan’ny nanamarika ny tantara tamin’ny 2009

Card image cap
16-janv-2025

Nanomboka ny alatsinainy 13 ka nifarana ny alarobia 15 janoary 2025 tao amin’ny trano fivorian’ny Minisiteran’ny

Card image cap
16-janv-2025

Efa nahazatra ireo mpikirakira fifandraisan-davitra toy ny amin’ny alalan’ny finday hatramin’izay

Card image cap
16-janv-2025

Hita ho tena sahirana ny vahoaka malagasy, raha ny mikasika ny sosialim-bahoaka tamin’iny taona 2024 iny,

Card image cap
16-janv-2025

Niato sahady indray ny rotsak’orana izay neverina hifampitohy tao anatin’ny 3 andro,

Card image cap