airtel

Actualités

25-mars-2024

Fanolanana zaza tsy ampy taona

Ho vosirina ve izany ilay zazalahy 11 taona nahavanon-doza ?

Sample post image

Zava-doza no nitranga tao amin'ny fokontany Maromitety ,

25-mars-2024

Kaominina Ambanivohitra Marofototra , Distrikan'i Mananjary ny 20 martsa lasa teo fa zazalahy vao 11 taona monja no nosamborin'ny Polisy ao Mananjary rehefa nanolana zazavavy 8 taona . Nametraka fitarainana teny anivon'ny Polisim-pirenena ao an-toerana ny renin'ilay zaza fa nisy nanolana ny zanany vavy. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Polisy ary fantatra fa zazalahy mpiray tanana amin'izy ireo ihany no tompon'antoka . Rehefa natao ny fizahana ara-pahasalama dia voamarina fa niharan'ny fanolanana ilay zazavavy. Nosamborina io zazalahy 11 taona io ka eo am-piandrasana ny fitsarana azy dia arahimaso ara-pitsarana ity farany.
DIDIM-PITSARANA HANAO AHOANA ?
Fanontaniana ao an-tsain'ny maro avy hatrany vantany vao nahare ity tranga ity ny hoe ho tratry ny famosirana na "castration" ve izany ity zazalahy kely ity satria zaza tsy ampy taona no naolany aty voaporofo ara-medikaly fa tena voaolana ilay zazavavy kely. Ahoana no fipetraky ny lalàna raha zaza tsy ampy taona ilay nanolana ? Sa ho lasa didim-pitsarana hafa mitondra mankany amin'ny didy fakan-tahaka na jurisprudence ity raharaha ity, ka izay no ho lasa fiarovan-tenan'ireo mpanolana zaza tsy ampy taona rehetra any aoriana ? Tena sarotra ny raharaha , azo antoka fa tena sahiran-tsaina ny mpitsara mpamoaka didy manoloana ity tranga tany Mananjary ity satria raha vao mandidy eo hoebatao famosirana ilay zazalahy 11 taona dia tena azo antoka fa ho aty amin'ny Madagasikara ny mason'izao tontolo izao dia ho adihevitra be tsy ho vita io .
MILA VAHAOLANA MAHOMBY KOKOA
Toa azo hanatsoahana lesona ihany koa izao zava-misy izao fa tsy vahaolana mahomby hampihena ny fanolanana ny fametrahana ilay lalàna momba ny famosirana.Taratry ny fahasimbana sy fahapotehan'ny fiarahamonina, tsy fahampian'ny fanabeazana , ny fahantrana, mety ho ny aretin-tsaina vokatry ny fiainana iainana eo amin'ny tontolo onenana ihany koa no mitarika ny fanolanana. Voatsabo ireo vao hihena ny trangam-panolanana fa raha fampitahorana fotsiny no atao dia mety handiso fanantenanana ny vokatra azo.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap