ny fitaleavana misahana ny fampiroboroboana ny teny malagasy eto anivon'ny ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina dia manomana atrikasa momba ny "Feni-panoratana ny teny malagasy" ny alakamisy 15 febroary 2024 ao amin'ny efitrano DOX, tranombokim-pirenena Anosy, hoy ny fampitam-baovao ny sabotsy teo. Ny Profesora Ranaivoson Jeannot Fils no hitarika ny fampiofanana izay hanasana ireo filoham-pikambanana sy mpisehatra amin'ny teny malagasy toy mpampianatra kabary sy mpanoratra, hoy ny filazana. Fisoratana anarana kosa ny 8 hatramin’ny 13 febroary eny amin'ny Tranombokim-pirenena ary ao amin’ny efitrano A104. «Tenin-dreny, teny mampandroso!» moa no lohahevitr’izay fankalazana androm-pirenena izay amin’ity taona ity, raha ny voalaza hatrany.
J. Mirija
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny